FANAMBARANA AN-GAZETY ATAON’NY IVONTOERANA SAFIDY MIKASIKA NY ZOTRAM-PIFIDIANANA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO

I. Fampatsiahivana ny fomba fiasa sy ny andraikitry ny Ivotoerana fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY.

Ny Ivotoerana SAFIDY (Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonanana) izay mamondrona ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana amin’ny fomba fiasa mahaleotena sy tsy miandany. Ny tanjona amin’ny firotsahany dia ny hahatongavana amin’ny fifidianana hitondra fandriampahalemana, ny fitondrana tsara tantana ary ny fampandrosoana maharitra. Manana iraka manokana ny Ivoterana SAFIDY dia ny fanaraha-maso ny digam-pifidianana rehetra, manolotra soso-kevitra miainga amin’ny vokatry ny tranga narahi-maso mikasika ny fahatomombana’ny fizotran’ny fifidianana na tsia avy amin’ny alalan’ny antotam-baovao mari-pototra mba ho fanajana ny fenitra demokratika sy ny tany tan-dalàna. Anisan’ny andraikiny ny fanabeazana sy ny fanentanana ny olom-pirenena.Manohy hatrany ny fanaraha-maso ny fifidianana ho avy ny Ivotoeranana SAFIDY amin’ny alalany fanapariahana 5.000 mpanara-maso avy amin’ny fivondronana Firaisamonim-pirenana eo anivon’ny nasionaly, ny faritra ary eny ifotony manerana ny Nosy. Ny Safidy dia manana fomba fiasa mifantoka amin’ny fandalinana ny lafiny ara-politika, fijerena sy fandalinana ny antontan-kevitra misy, ny fanaraha-maso mivantana, ny fikirakirana ny fisy fanaraha-maso ny fifidianana sy ny fanairana tranga avy amin’ny laharana maitso sy ny tambazotra sosialy.

II. Tatitra voalohany vokatry ny fanadihadiana.

1. Mikasika ny fanajana zon’olombelona

Fanahiana ny fanitsakitsahana ny zo fototra fahazoan’ny mpifidy ny vaoavao hahafahany mifidy ampiheverana. Ny volavolan-dalana mikasika ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana dia tsy mbola nampahafantarina ampahibemaso hatramin’izao (Andro-1 ny daty fanombohan’ny fampielezan-kevitra). Hifanontona ny fampielezan-ketra roa karazany dia mety hitondra karazan-javatra mifamaofao be ihany ary tsy hahatomombana ny fomba fahazoan’ny mpifidy sy olom-pirenena an’ireo andininy itondrana fanitsiana ny Lalàmpanorenana. Tsy fisian’ny fakan-kevitra sy tsy fanajana ny zo politikan’ny olom-pirenena manoloana ny famolavolana ny finitsiana ny Lalàmpanorenana. Araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, “ Ny demokrasia sy ny feni-kevitra momba ny Fanjakana tan-dalàna no fototra iorenan’ny
Repoblika »[1]. Ankoatr’izay, « Ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana rehetra no masi-mandidy ka mampiasa izany amin’ny alàlan’ny solontenany lany amin’ny alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka »[2]. Ary araka ny andininy faha 25 ao amin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zo amin’ny maha olompirenena sy ara-politika na PIDCP (Pacte International relatif aux Droits Civils et Politiques), “ny olompirenena dia manan-jo sy fahafahana hitantana ny raharaham-panjakana (…)”. Raha araka ny tokony ho izy dia tsy maintsy hampandraisana anjara avokoa amin’ny alalan’ny fakan-kevitra ireo mpiantsehatra rehetra rehefa mikasika famolavolana lalàna. Tena mbola tsy misy ao anatin’ny fanentanana sy fanabeazana ny olompirenena amin’izao fotoana izao ny momba io fitsapankevi-bahoaka mikasika ny fanitsiana Lalam-panorenana io. Inona àry izany ny hasina omena ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana rehefa tsy misy ny fakan-kevitra mialoha amin’ ny be sy ny maro, satria ny Lalàmpanorenanana no lalàna fara-tampony [3]ary mahakasika ny vahoaka malagasy iray manontolo?

2. Vanimpotoana sy tontolo sosialy sy politika

Fifanoherana misy eo amin’ny fanamafisana ny filaminana sy ny demokrasia izay nahazo vahana tamin’ny fanekena ny voka-pifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018 sy ny tontolo anjakan’ny fanoherana ny fitspan-kevibahoaka iazakazahana. Na dia teo aza ireo tsy fahalavorariana hita, ireo mpanao politika sy ny olompirenena dia niara-nanaiky ny vokatrin’ny fifidianana filoham-pirenena mba hiarovana indrindra indrindra ny filaminana sy ny fahamarinan-toerana. Ny filazana fa hanatanteraka fitsapan-kevi-bahoaka iray herinandro alohan’ny fampielezan-kevitra nefa tsy nialohavan’ny fakan-kevitr’ireo mpiantsehatra rehetra dia mahatonga fisaraham-bazana, fahatsapana faniliana ary fanehoan-kevitra fanoherana miha-mahery vaika hatrany.Fialana amin’ny mahazatra (Situation exceptionnelle) vokatry ny fahabangana rafitra. Ny HCC, tamin’ny fanapaha-kevitra navoakany ny 13 febroary 2019 mikasika ny lalàna n° 2019-001 dia manome ny fahefana ny Filohan’ny Repoblika ary manamafy ny fisian’ny « situation exceptionnelle » na fialana amin’ny mahazatra nohon’ny tsy fisian’ny Antanimierampirenena. Amin’izany ny andininy faha 163, andalana farany, ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa « Ny fahefana manokana ananan’ny Filohan’ny Repoblika ao anatin’ny fisehoan-javatra mampihotakotaka na savorovoro politika dia tsy manome azy ny zo hanao fanitsiana ny Lalàmpanorenana ».

3. Mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana

Tsy fisian’ny lalàna mifehy ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra sy ny famerana ireo fandaniana amin’ny fampielezan-kevitra. Ny sampana fanarahamaso SAFIDY dia efa nanambara hatrany ny fahabangana momba ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra sy ny famerana ireo fandaniana amin’ny fifidianana ao anatin’io lalàm-pifidianana manankery ankehitriny io. Izany no mahatonga ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izay manitsaka ny fenitry ny fitovian-jo, fihoaram-pefy izay melohin’ny CENI sy ny HCC saingy tsy handraisana fepetra.Fanovana ny fomba handaniana amin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny alàlan’ny fandaniana lalàna vaovao. Nanolotra volavolan-dalàna manova sy mameno ny lalàna 2018-010 momba ny fifidianana ny Antenimieram-pirenena teo anivon’ny Filankevitry ny governemanta. Navoakan’ny Filoha hanankery tamin’ny febroary 2019 io lalàna vaovao io rehefa avy nolanian’ny maro anisa teny amin’ny Antenimiera roa tonta. Io lalàna io dia mifantoka amin’ny fanovana ny fomba fandaniana miorina amin’izay mahazao vato betsaka indrindra amin’ny fifidianana indray miodina, ary novaina ho fomba fandaniana solombavambahoaka mizara roa : (i) Izany hoe fomba fifidianana mandany izahay mahazo ny vato maro anisa avy hatrany ho an’ireo fari-pifidianana hilàna solombavambahoaka iray ary (ii) fomba fifidianana mifanaraka amin’ny habetsaky ny tahan’ny vato azo mihoatra amin’ny mpifanandrina sasany « système proportionnel » ho an’izay fari-pifidianana hilàna Solombavambahoaka roa[4]. Ny fisafidianana fomba fandaniana tsotra araka ny toromariky Komity fakan-kevitra tamin’ny famolavolana ny lalam-pifidianana sy naverina tao amin’ilay lalàna taloha 2018-010 dia novain’ny lalàna vaovao 2019-002 kanefa nifampidinihan’ny mpisehatra isan-tsokajiny niainga tamin’ireo lesoka sy fanahiana amin’ny rafi-pifidianana proportionnel ireo toromarika ireo.Tsy fisian’ny lalàna momba ny fitsapankevibahoaka. Tsy toy ireo fifidianana hafa toy ny fifidianana Filohampirenena sy Solombavahoaka dia tsy mbola misy ny lalàna manokana mifehy ny fifidianana fitsapankevibahoaka. Ity anefa dia fanararaotra mba hametrahana izany lalàna momba ny fitsipankevibahoaka izany (ny fepetra hanitsiana ny Lalampanorenana, ny famoronana ny Komity mpanohana, ny fifehezana ny fampielezan-kevitra).Tsy fanajana ny fe-potoana didin’ny lalàna hampiantsoana ny mpifidy amin’ny fitsapankevibahoaka. Momba ny fanajana ny fampiantsoana ny mpifidy : ny andininy faha 51 ny lalàna laharana 2018-008 momba ny fitsipika ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapankevibahoaka dia mametra ho 90 andro farafahakeliny ny fampiantsoana ny mpifidy amin’ireo karazam-pifidianana rehetra. Ny didy fampiantsoana ny mpifidy amin’ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao ny 27 may dia navoaka ny 1 febroary 2019 (115 andro). Tsy navoaka kosa raha tsy ny 19 aprily 2019 (39 andro) ny fampiantsoana amin’ny fitsapankevibahoaka izay hatao amin’io andro io ihany.Olana momba ny fametrahana ny mpikambana tsy maharitra ao amin’ny CENI Ny lalàna laharana 2015-020 momba ny CENI dia mamaritra ny fametrahana ny mpikambana tsy maharitra izay ahitana solotenan’ny komity mpanohana na antoko politika mifanandrina amin’ny fifidianana. Hasain’ny birao maharitra hiasa eo anivon’ny CENI ireto farany manomboka amin’ny famoahana didy fampiantsoana ny mpifidy hatramin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. Amin’ny fitsapankevibahoaka manokana dia miasa eo anivon’ny CENI foibe sy ireo rantsamangaikany ireo komity mpanohana. Tsy voafaritra kosa izany amin’ny fifidianana solombavambahoaka kanefa nampidirin’ny CENI eny anivon’ny distrika. Rehefa ao anatin’ny fampiharana dia hiteraka olana ny fanatanterahana ireo lamina ireo (ny fomba fanasana, ny fanatrehana ireo fandraisana fanapahan-kevitra sy fandraisana anjara amin’ny adihevitra, ny toerana fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon’ny CENI foibe).

4. Fitantanana ny fifidianana

Fikoropahana eo amin’ny fikarakarana ny fitsapan-kevibahoaka. Hita taratra ankehitriny ny fikoropahan’ny CENI manoloana ny fikarakarana ny fitsapa-kevibahoaka. Tsy nanao fanambarana manokana ny amin’ny ahafahana manatanteraka miaraka ireo fifidianana roa ireo izy, fa avy hatrany dia nanomboka ny asa mifanaraka amin’izany. Ohatra ny antsapaka izany notontosaina omaly teny amin’ny CENI Nanisana mikasika ny fitsinjarana ny anjara fitenenana ao amin’ny haino amanjerimpanjakana. Iaraha-malala nefa fa tsy mbola vonona ireo fepetra rehetra araky ny lalana sy ny lamina rehetra mifanaraka amin’izany : tsy mbola nivoaka ilay volavolan-dalampanorenana ho laniana ary tsy mbola tafatsangana ny komity mpanohana ny « eny » sy ny « tsia ». Tsy fisian’ny tolo-kevitra amin’ny famaritana ny tetiandrom-pifidianana avy amin’ny CENI momba ny fanatanterahana ny fitsapankevibahoaka. Araka ny andininy faha 51 ao amin’ny lalam-pifidianana laharana 2018-010 dia tokony misy ny fakan-kevitra any amin’ny CENI mialohan’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny daty mikasika izany. Nodidiana tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny daty hanaovana fitsapa-kevimbahoaka ary tsy hita taratra fisian’ny ny fakan-kevitra natao sy ny tolo-kevitra avy amin’ny CENI mahakasika izany.Fihemoran’ny CENI amin’ny fanajana ny fitsipika apetrany momba ny fitantanana tsara ny fifidianana. Anisan’ny fitsipika apetrany ny fangaraharana, ny fampandraisana anjara ny rehetra ary ny fanajana lalàna. Tsy narahany io fomba tsara io tamin’ity indray mitoraka ity ka tsy nisy intsony ohatra ny famoahana ny tetiandro amin’ny antsipirihany sy ny loambary andasy fanaony matetika mikasika ny fitsapakevibahoaka.

III. Tolo-kevitra

Fanamafisana ireo fomba fanao tsara tahafina efa voafehy mba hisian’ny fitokisana mikasika ny zotrampifidianana. Ezaka lehibe no efa vitan’ny CENI mahakasika ny fahaleovan-tena, ny fangaraharana ary ny fahaiza-manao raha ny fandrafetana ny tetiandrom-pifidianana nandritra ny fifdianana Filoham-pirenena 2018 no jerena. Ny Safidy ihany koa dia manentana ny fanamafisana ireo fomba fanao tsara tahafina efa voafehy ireo toy ny tolo-kevitra mahakasika ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny fitsapakevi-bahoaka hanovana ny lalàmpanorenana. Fanajana ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao mari-pototra sy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Tokony hisy toerana sy fotoana ampy voatokana hahafahan’ny olom-pirenena maka hevitra amin’ireo sehatra voakasika ny fanitsiana LalàmpanorenanaAorian’ny fiaraha-midinika sy fifampiresahana dia apetraka ny lalàna ifehezana ny fitsapankevibahoaka toy ny fisian’ny lalàna nifehezana ny fifidianana Filohampirenena sy ny lalàna momba ny fifidianana SolombavambahoakaFanajana ny lalàna manakery toy ny fe-potoana fohy indrindra 90 andro takian’ny lalàna ho an’ny fiantsoana ny mpifidy, araka izay efa voalaza amin’ny famakafakana natao. SAFIDY dia tantanin’ny fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena 10 : MSIS-tatao, AIM, PFNOSCM- DRV, YMCA, FTMF, CEDI, ONG Ravintsara, ONG IVORARY sy OPTA amin’ny alàlan’ireo tetik’asa FANOA sy FANDIO izay vatsin’ny Rafitra Eropeanina mikasika ny Demokrasia sy ny Zin’Olombelona (IEDDH).Ity fanambarana ity dia natao tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina. Ny votoatiny kosa dia andraikitra manokan’ireo fikambanana malagasy 10 mitantana ny SAFIDY fa tsy azo ambara ho maneho ny fomba fijery na ny hevitry ny Vondrona Eoropeanina velively.
[1] Andininy 1, andalana 2, Lalampanorenana tamin’ny 11 desambra 2010
[2] Andininy 5 ao amin’ny Lalampanorenana tamin’ny 11 desambra 2010
[3] Andininy 162 Lalampanorenana tamin’ny 10 desambra 2010 : Raha toa ka hita fa tena ilaina ny fanitsiana dia anjaran’ny Filohan’ny Repoblika no manapaka eo amin’ny Filankevitry ny Minisitra, na ny Antenimiera amin’ny
alalan’ny latsabato misaraka izay nolanian’ny roa ampahatelon’ny mpikambana no manao izany.
Ny volavola na tolokevitra fanitsiana dia tsy maintsy ankatoavin’ny telo ampahaefatry ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona.
Ny volavola na tolokevitra izay nankatoavina dia aroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
[4] Raha fifidianana mandany izay mahazo ny maro anisa avy hatrany koa no ampiharina amin’ny fari-pifidianana misy solombavambahoaka roa dia tsy maintsy ho avy amin’ny antoko na vondrona roa samihafa ireo Solombavambahoaka roa ireo fa raha ilay “système proportionnel” mifanaraka amin’ny tahan’ny vato azon’ny hafa kosa dia mety ho avy amin’ny Antoko na vondrona iray ihany raha toa ka tena betsaka ny elanelam-bato azon’io antoko io mitaha amin’ny an’ny hafa ao amin’ilay fari-pifidianana. Mampisy ny fahasamihafan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimeram-pirenena kokoa izany ilay fomba fifidianana voalohany; mampanjaka ireo antoko vaventy kokoa ilay fomba fifidianana faharoa.

Laisser un commentaire