FANAMBARANA
You are currently viewing FANAMBARANA

Antananarivo, faha 29 May 2024,

Nahitana tranga tsy fanarahan-dalàna sy fifandonana tamin’ny tapany voalohany ny androm- pifidianana solombavambahoaka 2024.

Zava-misy ankapobeny

Ambany ny taham-pahavitrihan’ ireo mpifidy hatramin’ny 12 ora atoandro.

Fomba fiasa

Ho fandraisana anjara amin’ny fampangaraharana ny zotra-pifidianana solombavambahoaka amin’ity taona 2024 ity, ny Ivotoerana fanarahamaso SAFIDY dia manara-maso ny androm-pifidianana ary mametraka rindran-damina ahitana:

  • Eny ifotony :

Mpanara-maso 2535 isa, ka ny 47% vehivavy, ny 76% tanora, ary olona manana fahasembanana ny 2%. Miparitaka mandrakotra ny biraom-pifidianana miisa 3839 eo ho eo , amin’ny kaominina 405 manerana ny distrika 120 sy faritra 23 eto Madagasikara izy ireo. Ny fanatanterahana izany dia manaraka ny fomba fiasa mampifangaro ny mpanaramaso mivezivezy sy ny mpanaramaso raikitra.

  • Eo amin’ny sehatra nasionaly :

✔ Ahitana sampana miandraikitra ny fanamarinana sy ny fikirakirana ary ny fandalinana ireo antotankevitra voaray. Ao anatin’izany ny sampana miandraikitra ny antso an-tariby, sy ireo matihanina momba ny arakajimirindra.

✔ Ahitana sampana fanangonana tatitra fanairaina iandraiketan’ny mpahay lalàna, ary ny sampana mpanamora ny fandraisana an-tanana ireo tranga fanairana (centre de veille) ahitana solontena avy amin’ny Vaomiera-pirenena miandraikitra ny fifidianana (CENI), ny mpitandro ny filaminana, ny Vaomiera-pirenena Mahaleotena momba ny Zon’olombelona (CNIDH). Izany dia natsangana mba ahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana.

Ny vokatra faharoa izay mahakasika ny fizotran’ny fifidianana hatramin’ny 12 ora atoandro dia miainga amina santionana biraom-pifidianana miiisa 1467 miparitaka ao anatin’ny faritra 23 manerana an’i Madagasikara.

Vokatry ny fanarahamaso miainga avy amin’ireo ampahana birao-pifidianana nandritra ny fizotry ny fifidianana

Mahatratra 22,7 % ny taham-pahavitrihana voamariky ny SAFIDY hatramin’ny 12 ora antoandro raha 23,7 % izany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka 2019 tamin’io fotoana io, izay midika fa nisy fihenana. Ny faritra manana taham-pandraisana anjara ambany indrindra dia: faritra Boeny 15,8% sy Diana 18,5%. Ny faritra Atsimo amin’ny ankapobeny no manana taham-pandraisan’ anjara ambonin’ ny 31% toy ny faritra Androy 43,6% ary ny faritra Anosy 35,3%.

Momba ny fizotry ny fifidianana:

  • Na dia nanara-maso ny antontan-taratasy fanamarinana ny maha-olompirenena aza ireo mpikambana ao amin’ny birao-pifidianana narahimaso, dia nisy birao-pifidianana 1,2 % nahitana tranga na olona navela nifidy, nefa tsy nanana karapanondro,
  • Ao amin’ny 99,4% amin’ny BV narahimaso, Ireo mpifidy nekena handatsa-bato dia voasoratra ao amin’ny lisi-pifidianana na manana taratasy faniriahana;
  • 1% amin’ny BV narahimaso, no nahitana herisetra sy/na korontana nandritra ny androm-pifidianana.

Amin’ny izao fotoana anaovana fanambarana izao dia nahazo tatitra fanairana 82 isa tamin’ny alalan’ny laharana maitso ny SAFIDY, izay noraisin’ny sampana mpandray an-tanana ny tranga fanairana. Ireo tranga ireo dia mifandraika amin’ny herisetra mandritra ny fifidianana. Misy ihany koa tranga mifandraika amin’ny famenoana mialoha ny fotoana ny fitanana an-tsoratra, mifandraika amin’ireo olompirenena navela hifidy na dia tsy manana karapanondro aza, amin’ny fisian’ny olona mitondra kara-pifidianana maromaro sy ny tsy fahampian’ny fitaovam-pifidianana, indrindra ny tsy fahampian’ny lampe torche.

Ny angom-baovao momba ny fizotry ny fifidianana dia tonga miandalana eto amin’ny Ivoterana SAFIDY. Havoaka amin’ny fanambaran’ny SAFIDY ho avy ny valin’ny famakafakana ny angom-baovao voaangona.

Ny SAFIDY dia manohy ny fanaraha-maso ny dingana rehetra amin’ny zotram-pifidianana, anisan’izany ny fanakatonana ny birao fandatsaham-bato, ny fanisam-bato, ny fanisam-bato ara- pitaovana eo amin’ny ambaratongan’ny SRMV rehetra (Sections de Recensement des Materiels de vote), ny fikirakirana ny voka-pifidianana eo amin’ny CENI, ny fifanolanana ara-pifidianana, ary koa ny faneken’ny mpisehatra rehetra voakasika ny voka-pifidianana.

Hivoaka ny sabotsy 01 jona 2024 amin’ny 11 ora maraina eto amin’ny foiben’ny SAFIDY Ambatonakanga ny fanambarana savaranonando momba ny fanarahamaso ny fifidianana solombavambahoaka.


Ny Ivotoerana SAFIDY dia rafitra mahaleo tena, tsy mitanila, manana fahaizana ara-teknika sy famakafakana amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ny iraka ataony dia ny manangona sy mamakafaka ny angom-baovao ary ny tranga manamarika ny fanatanterahana ny fifidianana ary mamoaka ny voka-panadihadiana sy ny tolo-kevitra ara-teknika. Manaja ny foto-kevitra fototra momba ny tsy fiandaniana ara-politika, ny SAFIDY dia nanaramaso ny fizotran’ny fifidianana solombavambahoaka 2024 manontolo manomboka tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ka hatramin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana. Ny tanjony dia ny handray anjara amin’ny fangaraharan’ny zotram-pifidianana.

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia ara-bola ny Ivotoerana SAFIDY. Ny votoatin’ny fanambarana an-gazety dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena manaraka ireto: AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy afaka. sy tsy azo heverina velively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeana sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia.

Laisser un commentaire