FANAMBARANA SAVARANONANDO
You are currently viewing FANAMBARANA SAVARANONANDO

“Fifidianana solombavambahoaka voamariky ny fandraisana anjara mavitrika kokoa an’ireo mpisehatra ara-politika, ary nahitana tranga tsy fanarahan-dalàna sy fifandonana mampiahiahy”

Antananarivo, faha-01 jona 2024

Fandravonana amin’ny ankapobeny ny fanarahamaso

  • Nizotra tao anatin’ny filaminana ny androm-pifidianana na dia nisy fifandonana sy tsy fanarahan-dalàna aza nanamarika izany. Marihana fa ny hamafin’izany fifandonana izany dia niovaova arakaraka ny toerana.Ny fikirakirana ny voka-pifidianana dia nahitana fandorana tranom-panjakana.
  • Ny taham-pahavitrihana tany amin’ireo birao-pifidianana narahan’ny SAFIDY maso dia 41,6%, izay nahitana fiakarana kely raha mitaha ny tamin’ny fifidianana 2019 izay tsiahivina fa 40,71%. Na izany aza, dia nahitana fidinana izany raha miohatra amin’ny tahan’ny fandraisana anjara tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany, izay nahatratra 46,35%.
  • Ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mai 2024 teo dia toa miendrika fitohizan’ny fifidianana filoham-pirenena ny volana novambra 2023 lasa teo. Mampiavaka ny tontolo pôlitika malagasy ny fiforonan’ny fiaraha-mitantana eo amin’ireo antoko lehibe. Na teo ary ny fisian’ny kandidà maro mahaleotena, sy ny fisian’ny vovonana roa lehibe ny mpanohitra, dia hita fa tsy ampy ny fahamaroana sy fahasamihafana ara-kevitra ary ny riankevitra nandritra ny fampielezan-kevitra.
  • Mitoetra hatrany ny tsy fahatomombanana, sy ny tsy firindrana ary ny fahabangana eo amin’ny lafiny lalàna sy ny tontolony. Anisan’izany ny tsy fampiharana ny fepetra momba ny mangarahara amin’ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra sy ny tsy fisian’ny andinin-dalàna mifehy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana. Fanampin’izay, ny tsy famoahana miaraka ireo didim-panjakana mikasika ny fifidianana, izay miteraka tsy fanarahan-dalàna ary nanjary niteraka ahiahy teo amin’ireo mpisehatra ary nahatonga ny tsy fitoviana lenta nandritra ny fanomanana ny fifidianana.
  • Misy ny fahavonona teo amin’ny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidianana saingy voafetra amin’ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-bola ary ny tsy fiandaniana sy ny fahaleovantenany ny CENI. Hita fa nisy ny fanatsarana ny mangarahara sy ny fomba fifandraisana nefa tsy feno ny fahazoana vaovao.
  • Mbola voafetra ihany ny fandraisan’anjaran’ireo vondron’olona marefo (tanora, vehivavy ary olona manana fahasembanana) na dia eo aza ny ezaka fanentanana. Ny ampahany betsaka amin’ny mponina any ambanivohitra dia azo lazaina fa anjorom-bala tamin’ny fanabeazana momba ny fifidianana.
  • Na dia eo aza ny fivoaran’ny tranga, ireo kandidà tanora, ny vehivavy ary ny olona manana fahasembanana dia mbola maro ny fanamby atrehany amin’ny fikatsahany ny anjara toerany ara-politika.
  • Voamarika ihany koa ny tsy fisian’ny finiavana ara-politika amin’ny fananganana ny ANRCM, rafitra tokony hiantoka ny fitovian’ny kandidà amin’ny fidirana amin’ny haino aman-jery. Izany dia mampandringa ny fampielezan-kevitra.
  • Mbola ho lavitra ny fahatanterahan’ny foto-kevitra mifototra amin’ny ny marolafy, ny soatoavina, ny etika, ny rariny ary ny fifandanjana mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana raha tarafina amin’ny firongatry ny fampitam-baovao ho tombontsoan’ny mpanao politika. Eo ihany koa ny fampiasana saika tsy misy fetra ny « facebook » nataon’ireo kandida sy antoko politika, izay nampisongadina be dia be ny fisehoan’izy ireo sy ny fifandraisany tamin’ny mpifidy, fa saingy nanome vahana ihany koa ny fifanenjahana sy ny fifankahalana ary ny fampielezana vaovao tsy marina.
  • Nahazo tatitra fanairana miisa 204 ny SAFIDY nanomboka tamin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra hatramin’ny 31 mey 2024.

Fomba fiasa

Mba iantohana fanarahamaso tena voatsinjara tsara mandritra ny fifidianana solombavambahoaka, SAFIDY dia nanamaso biraom-pifidianana miisa 3839, amin’ny kaominina 405 manerana ny distrika 120 sy faritra 23. Nanaparitaka mpanaramaso raikitra, mivezivezy, lavitr’ezaka ary fohy ezaka

Ny fomba fiasan’ny Ivotoerana fanarahamaso dia mitsinjara toy izao :

Eny ifotony :

Mpanaramaso lavitrezaka sy fohy ezaka miisa 2535, ka ny 47% vehivavy, ny 76% tanora, ary 2% olona manana fahasembanana ny 2%, avy amin’ny fikambanana miisa 762, ONG, vovonana sy tambazotra. Ao antin’izany dia ahitana mpanaramaso mitatsaka an-tsitrapo.

Eo amin’ny sehatra nasinaly :

  • Ahitana ekipa mpandalina (politika, momba ny lalàna, ny fifidianana, ny haino vaky jery, ny zon’olombelona sy ny fanentanana) sy mpikirakira antontanisa voatokana amin’ny fandalinana ny antonkevitra ary miandraikitra ny vokatra voalohany amin’ny fanarahamaso ny fifidianana.
  • Ekipa miandraikitra ny fanangonana ny tranga fanairana amin’ny alalan’ny laharana maitso ary mampita ny vaovao any amin’ny sampana mpanamora ny fandraisana an-tanana ireo tranga fanairana (centre de veille), izay ahitana ny solontenana avy amin’ny Vaomiera-pirenena miandraikitra ny fifidianana (CENI), ny mpitandro ny filaminana, ny Vaomiera-pirenena Mahaleotena momba ny Zon’olombelona (CNIDH), ary ny OSC.

Mikasika ny fomba nisafidianana ireo toerana amin’ny kaominina voakasiky ny fanarahamaso dia nosafidiana amin’ny alalan’ny hamaroan’ny mpifidy amin’ilay toerana, ny fisian’ny mpanaramaso mijoro amin’ny fahitsiana ary tranga sy rivotra ara-politika amin’ilay toerana.

SAFIDY dia manohy ny fanarahamaso ny fikirakirana ny voka-pifidianana, ny fifanolanana ara-pifidianana, ny famoahana ny voka-pifidianana sy ny faneken’ny mpisehatra izany. Hisy raki-kevitra farany miaraka amin’ny sosokevitra ara-teknika izay hozaraina amin’ny fiafaran’ny zotram-pifidianana.


Ny Ivotoerana SAFIDY dia rafitra mahaleo tena, tsy mitanila, manana fahaizana ara-teknika sy famakafakana
amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ny iraka ataony dia ny manangona sy mamakafaka ny angom-baovao ary ny tranga manamarika ny fanatanterahana ny fifidianana ary mamoaka ny voka-panadihadiana sy ny tolo-kevitra ara-teknika. Manaja ny foto-kevitra fototra momba ny tsy fiandaniana ara-politika, ny SAFIDY
dia nanaramaso ny fizotran’ny fifidianana solombavambahoaka 2024 manontolo manomboka tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ka hatramin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana. Ny
tanjony dia ny handray anjara amin’ny fangaraharan’ny zotram-pifidianana.

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia ara-bola ny
Ivotoerana SAFIDY. Ny votoatin’ny fanambarana an-gazety dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo
fikambanan’ny firaisamonim-pirenena manaraka ireto: AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA,
FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy afaka. sy
tsy azo heverina velively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeana sy ny Fikambanana
iraisam-pirenenan’ny Frankofonia

Laisser un commentaire