« SAFIDY IRAY, FEO IRAY, DEMOKRASIA MAFY ORINA »
You are currently viewing « SAFIDY IRAY, FEO IRAY, DEMOKRASIA MAFY ORINA »

“Fanambarana”

Alarobia, 31 jolay 2024

Fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina tanterahina ara-potoana, sy azo itokiana, fototry ny
fampandrosoana mampiaty ho amin’ny tombotsoan’ny faritra sy ny kaominina.

Amin’izao ankatoky ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina izay heverina ho tanterahinaamin’ity taona 2024 ity, ary noho ny traikefa voaray sy ireo tsy fahatomombanana sy tsy fanarahan-dalàna tsapa nandritra ny fifidianana filohampirenena ny volana novambra 2023 sy ny fifidianana solombavambahoaka ny volana may 2024.
Izahay mpikatroka ato amin’ny firaisamonim-pirenena miasa eo amin’ny sehatry ny fandalàna ny demokrasia sy ny haitondra, izay manao sonia ity fanambarana ity dia resy lahatra fa ny fampandrosoana maharitra sy mampiaty eto Madagasikara dia tokony hiorina eo amin’ny fifidianana malalaka, mangaraharaha, andraisan’ny rehetra anjara ary azo itokiana.
Araka izany tarikevitra izany, dia mamerina indray ny antso hoan’ireo mpisehatra sy ny rafitra mikarakara ny fifidianana izahay mba hanatanteraka ireo tolonkevitra efa narosonay teo aloha nefa mbola tsy nampiharina hatramin’izao.

  1. Fanitsiana ny lalam-pifidianana (LORGER) mba hamenoana ireo fahabangana mikasika ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana, ny famantsiambola mandritra ny fampielezankevitra ary ny tsy fahampian’ny fotoana hikirakirana ny disadisa sy fifanolanana ara-pifidianana
  2. Fananganan’ny fitondram-panjakana, ny ANRCM (Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée) ary fanamafisana ny CCFVP (Commission de Contrôle de la Vie Politique) araka ny voafaritry ny lalam-pifidianana.
  3. Fampiharana ny mangarahara eo amin’ny Fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tribonaly misahana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanalalahana ny fahazoambaovao sy torohay ilaina sy araka ny lalàna ho an’ny mpisehatra rehetra ivelan’ny fanjakana sy ny firaisamonimpirenena
  4. Famoanana ireo sakatsakana amin’ny fahalalahana hivory ankalamanjana sy hanao hetsika andalambe.
  5. Ny fampitsaharana ny tsindry ampiharina sy ny fanajana ny tsy fitanilan’ny sampandraharam- panjakana sy ny mpiasam-panjakana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana, atitany, mandritra ny fotoam-pifidianana.
  6. Fanatsarana ny fiofanana omen’ny CENI s ho an’ireo ratsamangaikany eny anivon’ny distrika sy ny biraompifidianana
  7. Fanamafisana ny fangaraharan’ny fandaniambola mandritra ny fampielezankevitra amin’ny alalan’ny fanasiana sazy mifandraika amin’ny kandida mpandika lalàna izay tsy manokatra

kaonty manokana ho an’ny fampielezankevitra, tsy manendry mpitambola, ary tsy mametraka ara-potoana ny tatitra ara-bola mikasika ny fampielezankevitra.
Manararaotra izao fotoana izao izahay, hitakiana amin’ny governemanta, mba hamaritra ao anaty fotoana fohy ny daty hanantanterahana ny fifidianana kaominaly miainga avy amin’ny tetiandro nomen’ny CENI izay raha ny tolo-kevitra voalohany dia ny 6 novambra 2024, kinanjo nanaitra ny maro ny famoahan’ny CENI daty vaovao ho amin’ny 11 desambra 2024.
Marihinay fa fandikandalana tsotra izao ny tsy fanantanterahana ny fifidianana ara-potoana. Izany dia manaporofo koa ny tsy fahavononan’ny fitondrana hiroso amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy izay miantoka ny fampandrosoana tsy mitanila ny faritra sy ny kaominina rehetra eto amin’ny firenena.
Mampahatsiahy ihany koa izahay ny maha rafitra mandalo ny governora araka ny voalazan’ny andininy faharoa ao amin’ny fanampahana laharana faha 17-HCC/D3 tamin’ny 28 novambre 2019 mahakasika ny didimpitondrana laharana faha 2019-1866 tamin’ny 25 septambra 2019 mikasika ny Governora. Dimy taona aty aoriana, izany hoe, fotoam-piasana fenon’ny filohampirenena, dia tena fotoana mihitsy izao hanomanana fifidianana ny mpitondra eo anivon’ny faritra mba hisian’ny fitsijarampahefana tena izy.
Izao hetsika ataonay izao dia tafiditra tsara ao anatin’ny fitsinjovana ny demokrasia sy ny fampandrosoana isitrahan’ny olompirenana tsirairay, na lahy na vavy, eto Madagasikara ary hoan’ny taranaka ankehitriny sy ny hoavy.

« SAFIDY IRAY, FEO IRAY, DEMOKRASIA MAFY ORINA »

Listr’ireo Fikambanana 86 manao Sonia:
AIM
AJMAF
ALLUMA
Associatio ANDRIMASO
Association CEDII
Association FAMELOGNO
Association FITEA
Association Gny To Tsy mba Zainy
Association IZARA
Association JEUNE PAIR EDUCATEUR (JPE)
Association MIAHY
Association Move On Androy
Association TAMIFA
Association TAIZA Madagasikara
AVG Alliance Voahary Gasy
Avotra RFF
Capricornus
CCOC
Centre Arrupe Madagascar
Coalition Nationale des OSC pour la pêche et l’économie Bleu des 23 régions
CODE Menabe
COJEAA Collectif des OSCs des Jeunes Engagés Atsimo-Andrefana
Consortium des Jeunes Mahery Melaky
Consortium des Jeunes Vonona (CJV)CRADES Ambanja
Dinika sy Rindran’ny Vehivavy (DRV)
FAFED Toamasina
FARM (Femmes en Actions rurales de Madagascar)
Federasionina ny Vehivavy Tantsaha Mpamokatra (FVTM), 13000 mpikambana
Fedération FIVOI Menabe
FIANTSO Madagascar
Fikambanana MAINTIMOLALY TSIROANOMANDIDY
Fikambanan’ny Tanora Mandala ny Fahamarinana (FTMF)
Firaisamben’ny Mponina Miaro ny Zon’ny Mpanjifa (FIMPA)
GEDY-B
Groupe MANOVA Itasy
Hery Miray Boeny
Jeune Actif Interrégional (JAI)
Jeune Pair Educateur Alaotra
JPE Alaotra
LEHILAHY MANDRAY ANDRAIKITRA
Liberty 32
Mouvement pour l’Education pour tous (MonEPT)
Mouvement ROHY
MSIS-Tatao
Observatoire de la Jeunesse
Observatoire National des Droits Humains (ONDH)
ONG AINA
ONG Fiantso Madagascar
ONG HITSY
ONG Ilontsera
ONG Ivorary.
ONG Ravintsara
ONG SOS AUX JEUNES DE MADAGASCAR
ONG Tolotsoa
Organisation pour le Développement Harmonieux de Melaky (ODHM)
OSCAR
PFED Mandresy Diana
Plate-forme de la Société Civile district Iakora
Plate-Forme de la Société Civile SAVA (PSC-SAVA)
PLATEFORME DES FEDERATIONS DES PERSONNES HANDICAPEES DE MADAGASCAR
Plateforme Nationale des Organisations de la Société Civile de Madagascar (PFNOSCM /VOIFIRAISANA)
Plate-forme Régionale des Organisations de la Société Civile Analamanga (PFRA/VOIFIRAISANA)
Plate-forme Régionale des Organisations de la Société Civile Ihorombe (PROSCI)
Plate-forme Régionale des Organisations de la Société Civile Bongolava
Plate-forme Régionale des Organisations de la Société Civile PFROSC Atsimo Atsinanana
Plate-forme Régionale des Organisations de la Société Civile PFROSC Anosy
Plate-forme Régionale des Organisations de la Société Civile PFROSC Boeny
RAFIA (Plate-forme Régionale des OSC Melaky)
RAVINALA
Réseau Malgache du Handicap (RMH)
ROPE
SAF Maevatanana
SAF/FJKM
SEBASS GROUP
SEHATRA IOMBONANA HO AN’NY FANANAN-TANY (SIF)TAFITA Ambohimanambola
TAFO MIHAAVO Tambazotran’ny fokonolona miaro ny harena voajanahary eto Madagascar
Taiza Tanora iray Zara
Tanora Mitambatra ho an’ny Tanindrazana (TMT)
TNMF
Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM)
TST Avaradrano
Vehivavy Mazoto (VEMA)
VONOGNY
YMCA Madagascar

Laisser un commentaire