Fametrahana fitoriana eny anivon’ny fitsarana mahefa hanamafisana ny fangaraharahan’ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey 2024
You are currently viewing Fametrahana fitoriana eny anivon’ny fitsarana mahefa hanamafisana ny fangaraharahan’ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey 2024

FANAMBARANA

Antananarivo, faha-10 jona 2024

Ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy fitsapakevi-bahoaka dia manome zo ireo mpanaramaso teratany Malagasy, nahazo fahazoandalana avy amin’ny CENI, hametraka fitoriana mahakasika ny fifidianana.

Ny sampana fanarahamaso ny fifidianana Safidy, niforona tamin’ny 2018, dia mitandro hatrany ny fangaraharahana, ny fahitsiana ary ny fahamarinan-toeran’ny fifidianana eto Madagasikara.

Mampahafantatra ny olompirenena sy ireo mpisehatra rehetra izahay fa nametraka fitoriana efatra (4) eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny zoma 7 jona 2024.

Ireo fitoriana ireo dia vokatry ny fanarahamaso sy famakafakana lalina nataonay mikasika ny fizotry ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Ny fitoriana napetraka rehetra dia mifandraika amin’ireo tsy fanarahan-dalana hita sy voamarina nandritra ny fifidianana farany teo ka misy fiatraikany mivantana amin’ny fahamarinan’ny safidimbahoaka mba hiantohana ny fanajana ny fenitra demokratika.

Ny tanjon’ny fitoriana telo (3) dia manameloka ny trangana fanitsakitsahana ny fenitra fototra amin’ny fampielezankevitra ka isan’izany ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny olompanjakana ary vokatr’izany dia mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandida amin’ireo fari-pifidianana voakasik’izany.

Ny fitoriana iray (1) kosa dia mangataka fanafoanana ny fifidianana tamina birao-pifidianana maromaro noho ny tsy fisian’ny sonia roa ao andamosin’ny biletà tokana nampiasaina, izay fepetra mampanankery ny latsabato eo anivon’ny birao-pifidianana.

Ankoatr’ireo, ny SAFIDY dia nametraka fitoriana eo anivon’ireo Fitsarana ady heloka mba hanenjehana ireo tomponantoka amin’ny fanohitohinana sy fampihorohoroana mihatra amin’ireo mpanaramasony.

NY SAFIDY dia mametraka ny fitokisany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena sy ny fitsarana malagasy mba hikirakira sy handray antanana ireo fitoriana ireo ao anatin’ny fahamalinana sy tsy fiandaniana. Manantena izahay fa ny Fitsarana mahefa dia handray ny andraikiny lehibe mba hiantohana ny fanajana ny safidim-bahoaka sy ny fanamafisana ny demokrasia.

Mitohy hatrany ny fanarahamason’ny SAFIDY ny dingana rehetra amin’ny fifidianana, anisan’izany ny fifanolanana ara-pifidianana, ny faneken’ny mpisehatra rehetra ny voka-pifidianana ary koa ny tontolo ara-politika sy ara-pahalemana aorian’ny fifidianana.

Ny SAFIDY dia hamoaka ny fanambarana farany mikasika ity fifidianana solombavambahoaka ity aorian’ny vokatra ofisialy ambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena.

Fomba fiasa

Mba iantohana fanarahamaso tena voatsinjara tsara mandritra ny fifidianana solombavambahoaka, SAFIDY dia nanamaso biraom-pifidianana miisa 3839, amin’ny kaominina 405 manerana ny distrika 120 sy faritra 23. Nanaparitaka mpanaramaso raikitra, mivezivezy, lavitr’ezaka ary fohy ezaka.

Ny fomba fiasan’ny Ivotoerana fanarahamaso dia mitsinjara toy izao :

Eny ifotony :

Mpanaramaso lavitrezaka sy fohy ezaka miisa 2535, ka ny 47% vehivavy, ny 76% tanora, ary 2% olona manana fahasembanana ny 2%, avy amin’ny fikambanana miisa 762, ONG, vovonana sy tambazotra. Ao antin’izany dia ahitana mpanaramaso mitatsaka an-tsitrapo.

Eo amin’ny sehatra nasionaly :

  • Ahitana ekipa mpandalina (politika, momba ny lalàna, ny fifidianana, ny haino vaky jery, ny zon’olombelona sy ny fanentanana) sy mpikirakira antontanisa voatokana amin’ny fandalinana ny antonkevitra ary miandraikitra ny vokatra voalohany amin’ny fanarahamaso ny fifidianana.
  • Ekipa miandraikitra ny fanangonana ny tranga fanairana amin’ny alalan’ny laharana maitso ary mampita ny vaovao any amin’ny sampana mpanamora ny fandraisana an-tanana ireo tranga fanairana (centre de veille), izay ahitana ny solontenana avy amin’ny Vaomierapirenena miandraikitra ny fifidianana (CENI), ny mpitandro ny filaminana, ny Vaomierapirenena Mahaleotena momba ny Zon’olombelona (CNIDH), ary ny OSC

Ny Ivotoerana SAFIDY dia rafitra mahaleo tena, tsy mitanila, manana fahaizana ara-teknika sy famakafakana amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ny iraka ataony dia ny manangona sy mamakafaka ny angom-baovao ary ny tranga manamarika ny fanatanterahana ny fifidianana ary mamoaka ny voka-panadihadiana sy ny tolo-kevitra ara-teknika. Manaja ny foto-kevitra fototra momba ny tsy fiandaniana arapolitika, ny SAFIDY dia nanaramaso ny fizotran’ny fifidianana solombavambahoaka 2024 manontolo manomboka tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ka hatramin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana. Ny tanjony dia ny handray anjara amin’ny fangaraharan’ny zotram-pifidianana.

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia ara-bola ny Ivotoerana SAFIDY. Ny votoatin’ny fanambarana an-gazety dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena manaraka ireto: AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy afaka. sy tsy azo heverina velively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeana sy ny Fikambanana iraisampirenenan’ny Frankofonia.

Laisser un commentaire