Fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fanarahamaso nyfifidianana solombavambahoaka sy fizarana ny fomba hanatanterahana ny asa
You are currently viewing Fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fanarahamaso nyfifidianana solombavambahoaka sy fizarana ny fomba hanatanterahana ny asa

Antananarivo, faha 24 mai 2024

Sampana fanarahamaso ny fifidianana SAFIDY
Ny Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana, dia rafitra mahaleotena, manana fahaizana ara-teknika sy ny fandalinana manokana ny fanaraha-maso ny fifidianana.
Ny iraka iantsorohany dia ny fanangonana sy ny famakafakana ny antotam-bokatra rehetra sy ny zava-misy misongadina momba ny fanatanterahana ny fifidianana ary mamoaka ny voka-pikarohana arahina tolo-kevitra ara-teknika.

Eo amin’ny fanajana ireo foto-kevitra fototra momba ny tsy fitanilana sy ny tsy fiandaniana ara-politika, ny SAFIDY dia manaramaso ny fizotran’ny fifidianana manontolo amin’ny fanarahana ny fomba fiasa mifototra amin’ny fenitra iraisam-pirenena.

Ny tanjony dia ny hitondra ny anjara biriky amin’ny fangaraharana sy fanatsarana ny zotram-pifidianana, antoky ny fanamafisana ny demokrasia sy ny fandriampahalemana, fototry ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Fifidianana dimy no efa narahimaso, dia ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018, ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly ny 2019, ny fifidianana loholona ny 2020 ary koa ny fifidianana filoham-pirenena 2023 farany teo.
Ity fanambarana ity dia manazava ny fomba fiasa entin’ny SAFIDY amin’ny fanarahamaso
ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 may 2024 hoavy izao.

Dingan’ny fanarahamaso
Ny tanjona fototra amin’ny fananaraha maso dia ny fanangonana sy famakafakana ny antontam-bokatra marina momba ny fanatanterahana ny fifidianana. Ny momba ny fikirakirana ny fifidianana, izay mirakitra ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, ny fametrahana ny fitaovam-pifidianana, ny fanendrena sy fanofanana ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato (BV), ny fizarana kara-pifidianana, ny fanomanana ny BV, ny fizotry ny latsa-bato amin’ny biraom-pifidianana. Manomboka amin’ny fanokafana, ny fanakatonana
ny BV, ny fanisam-bato, ny fitondrana ny fitaovam-pifidianana ho any amin’ny sampana fanisam-bato (SRMV), ny fikirakirana ny voka-pifidianana eo anivon’ny SRMV, ary ny fitantanana ny fifanolanana ara-pifidianana. Ny SAFIDY, araka izany, dia mijery ny tontolo politika sy ny fanajana ny lalàna: ny fandehan’ny fampielezan-kevitra sy ny fanajana ny andro fahanginana.

Fomba fiasa sy firafitry ny fanarahamaso
Mba hiantohana ny fanaraha-maso andraisan’anjara ny rehetra amin’ny fifidianana solombavambahoaka, SAFIDY dia manara-maso biraom-pifidianana miisa 3.691 miparitaka amin’ny kaominina 405, mandrakotra ny faritra 23 sy distrika 120 eto amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny fanapariahana mpanara-maso raikitra sy ireo afaka mivezivezy, ny miasa amin’ny fotoana maharitra sy ireo miasa amin’ny fotoana fohy.
Ny rafitra fanaraha-maso dia voatsinjara toy izao manaraka izao:
Eny ifotony:
● 2.447 mpanara-maso maharitra sy fohy ezaka avy amin’ny 762 fikambanana, ONG, vovonana ary tambajotra isankarazany. Ny 90 isa amin’ireo mpanara-maso ireo dia mpilatsaka an-tsitrapo.

Eo amin’ny sehatra nasionaly:
● Ekipa mpandinika (politika, lalàna, fifidianana, haino vaky-jery, zon’olombelona ary fanentanana) sy manam-pahaizana ara-antontan’isa tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana ny angona rehetra sy ny famoahana ny valin’ny fanarahamaso voalohany;
● Ekipa tompon’andraikitra amin’ny fanangonana tatitra fanairana amin’ny alalan’ny laharana maimaim-poana (laharana maitso) sy fampitana ny vaovao any amin’ny sampana andrimaso ahitana ny solontenan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), ny mpitandro ny filaminana, ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona (CNIDH) ary OSC.
Fisy maromaro no natao handrakitra an-tsoratra ireo tatitra amin’ny lafin-javatra manaraka
ireto:

  • Ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy;
  • Ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana sy ny fanajana ny andro fahanginana;
  • Ny fizotran’ny fifidianana ao amin’ny BV;
  • Fikarakarana ny voka-pifidianana eo anivon’ny SRMV sy CENI;
  • Ny fikarakarana ny fifanolanana ara-pifidianana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI).

Ny vaovao sy vokatra voaangona dia ampitaina any amin’ny foibe SAFIDY amin’ny alàlan’ny Teknolojia Vaovao ny fifandraisana (NTIC) sy SMS mba hanaovana fanadihadiana haingana.

Mba hiantohana ny kalitaon’ny fanaraha-maso ny fifidianana dia nikarakara fiofanana isan-tsokajiny ho an’ny mpanara-maso ny SAFIDY: fanofanana ho an’ny mpampiofana nasionaly miaraka amin’ny fanohanan’ny manampahaizana iraisam-pirenena sy ny fanofanana ireo mpanara-maso maharitra eo amin’ny faritra sy ny distrika izay nanome fiofanana ho an’ny mpanara-maso maharitra sy fohy ezaka eny anivon’ny kaominina sy
biraom-pifidianana.

Fomba nisafidianana ny faritra hiasana:
● Ny birao fandatsaham-bato dia voafidy araka ny lanja ny isan’ny mpifidy sy ny
fihetsehana ara-politika isaky ny distrika.

Havoakan’ny SAFIDY ny fanambarana roa amin’ny andron’ny fifidianana, ny fanambarana savaranonando kosa ny sabotsy 01 jona 2024 amin’ny 11 ora maraina, ary ny tatitra fanarahamaso farany aorian’ny famoahana ny vokatra ofisialy.
Manararaotra izao fotoana hanaovana fanambarana izao ny SAFIDY, milaza sy mitatitra ny fitohizan’ny fandrahonana sy ny ramatahora atao amin’ireo mpanaramaso fifidianana sasany.
Izany fihetsika izany dia avy amin’ireo mpisehatra samihafa voakasika mivantana amin’ny fifdianana. Mamporisika ireo tompon’andraikitra mahefa izahay handray fepetra hiarovana mpanaramaso fifidianana.


Laharana maitso: 032 32 036 37

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia (OIF) ara-bola ny Observatoire SAFIDY. Ny votoatin’ny fanambarana dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny Firaisamonimpirenena manaraka ireto: AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy afaka. tsy azo heverinavelively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona eoropeanina sy ny OIF.

Laisser un commentaire