FANAMBARANA
You are currently viewing FANAMBARANA

Antananarivo, 7 febroary 2025

Amin’ny ankapobeany dia nilamina ary tsy nahitana fifandonana tsy voafehy ny fifidianana kaominaly sy monisipaly notanterahina ny 11 desambra 2024 na dia teo aza ireo tranga tsy fanarahandalana maro samihafa izay nitarika ahiahy amin’ny fangaraharana, ny fandraisan’ny rehetra anjara ary ny tsy fiandaniana tamin’iny zotram-pifidianana iny.

Ny SAFIDY dia, nanaramaso Birao fandatsaham-bato 2738 tao amin’ny Kaominina miisa 365, izay mametraka azy ho iraka fanarahamaso lehibe indrindra, izay tohanan’ny Vondrona eoropeana sy ny fikambanana iraisam-pirenenan’ny frankofonia.

Ity fanambarana ity dia manampy ireo voalaza tao amin’ny tatitra savaranonando natao ny 14 desambra 2024 ary manolotra ireo tolokevitra hanatsarana ny fifidianana manaraka. Ho avoaka manontolo ao amin’ny tranonkalan’ny SAFIDY ny tatitra feno 10 andro aorian’ity fanambarana ity ary hampidirana ireo famakafakana feno mahakisa ny vokatra ofisialy sy ny fifanolanana ara- pifidianana rehefa voaray izany.

Araka ny vokatra vonjimaika ny CENI, ny tahan’ny fandraisana anjara nasionaly ny fifidianana kaominaly farany teo dia 48,79%, izay nahitana fiakarany raha oharina tamin’ny fifidianana kaominaly 2019 (41,03%). Tamin’ireo birao fandatsaham-bato narahin’ny SAFIDY maso dia 39,3% ny tahan’ny fandraisana anjara nasionaly. Tany amin’ireo faritra efatra: Androy, Anôsy, Atsimo Antsinanana sy Vatovavy dia nihoatra ny 45% ny fandraisana anjara. Latsaka ambanin’ny 30% kosa izany tany amin’ny faritra Ihorombe sy Diana. Heverina fa naha resy lahatra ireo mpifidy hanatanteraka ny adidiny ny fihetsehan’ireo mpiantsehatra ara-politika indray, indrindra ny antoko mpanohitra; ny fampielezan-kevitra nahitana fanomezana sakafo, vola sy fitaovana; ary ny fanamorana ny fomba fifidianana.

Amin’ny lafiny politika, ny antoko eo amin’ny fitondrana IRMAR no nibahan-toerana tamin’ny fifidianana, ka nahazo kaominina miisa 968 tamin’ny toerana 1695, notohanan’ireo antoko mpiara-miombon’antoka aminy toy ny AVI (ben’ny tanàna 38), ny ADN (ben’ny tanàna 36) ary ny FREEDOM (ben’ny tanàna 16). Io vokatra io dia manamari-toerana ny antoko manohana ny fitondrana amin’ny fifidianana loholona manaraka eo. Ankoatr’izay, mihamarefo hatrany ny mpanohitra, indrindra noho ny fisaratsarahana anatiny tao amin’ny vondrona Firaisankina, izy ireo dia nahazo ben’ny tanàna TIM 40 sy Firaisankina 14. Mihamafy orina hatrany ny antoko FIVOI tao aorian’ny nahazoan’izy ireo solombavambahoaka miisa 4 tamin’ny fifidianana farany teo ka mbola nazahoany ben’ny tanàna 52. Mametraka azy ho isan’ny hery politika manandanja eto amin’ny firenena izany.

Mikasika ny fitantanana ny fifidianana, SAFIDY dia nahatsikaritra fomba fiasa nahitana tsy fanarahan-dalàna sy tsy fisian’ny mangarahara, indrindra teo amin’ny fanendrena ireo ratsamangaikan’ny CENI sy ny fanoloana ireo sefo Fokontany fotoana fohy mialoha ny fifidianana. Mikasika ny lisitry ny mpifidy, ny fifangaroana sy ny fifanoherana tamin’ny fanatanterahana ny fanavaozana manokana natao tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana dia nampihena ny fahatokisana ny mangarahara amin’ny fizotry ny fifidianana ary nampitombo ny ahiahin’ny mpisehatra amin’ny rafitra fifidianana. Vitsy ny kandidà na dia nisy fiakarana 6,90% aza raha oharina amin’ny taona 2019. Maro hatrany ireo kandidà no misafidy ho tsy miankina (45% amin’ny lisitra). Ny fahasahiranan’ireo kandidà amin’ny fahazoana taratasy ofisialy ilaina, toy ny taratasy fanamarinana avy amin’ny Fitaleavam-bolam-panjakana na ny taratasy fanamarinana zom- pirenena, dia nanakana ny fandraisana anjaran’ny maro, indrindra fa ireo kandidà any ambanivohitra, izay lavitra ny renivohitry ny faritra. Ka anisan’ny nahatonga ny CENI hanalava ny fe-potoana firotsahan-kofidina sy hanamora ny dingana sasany. Ny fiovan’ny voka-pifidianana hita tao amin’ny tranonkalan’ny CENI, izay nahitana fitomboan’ny isam-bato ho an’ny kandidà iray, dia nampiseho fahalemena amin’ny fiarovana sy fitantanana ny angon-drakitra amin’ny fifidianana. Io tranga io, izay nitranga tao anatin’ny savorovoro ara-politika, dia vao mainka nampitombo ny ahiahin’ny olom-pirenena amin’ny fahamendrehan’ny fizotry ny fifidianana.

Mbola mitohy hatrany ny tsy fahazoham-baovao ara-teknika tena ilaina toy ny antotanisa mora trandrahina sy mahakasika ny sokajin’olona rehetra, ny famatsiam-bola ny fifidianana ary ny tetibolan’ny CENI. Ankoatran’izay dia voafetra ihany koa ny fahafahan’ny mpanaramaso hanaraka ny fiofanana nasionalin’ny CENI sy ny tatitra voarakitra eo anivon’ny SRMV. Mampihena ny fahatokisana ny fizotrin’ny fifidianana ary manakatsakana ny asan’ny mpanaramaso amin’ny fanatanterahana ny iraka ataony izany. Fanampin’izany, tara be ny famoahana ny vokatra ofisialy sy ny antotan’isa mikasika ny fifanolanana ara-pifidianana teny anivon’ny fitsarana mahefa ka tsy ahafahana ny mamakafaka azy.

Nandritra ny androm-pifidianana dia azo lazaina fa nilamina ny fisokafana ny birao fandatsaham- bato ankoatran’ny faritra Alaotra Mangoro sy Itasy izay nahitana tsy fanarahan-dalàna tany amin’ny BV miohatran’ny 5% narahi-maso. Nisokatra ara-potoana (06 ora maraina) ny ankamaroan’ny BV na dia nahita fahatarana teny anivon’ny 30% BV narahi-maso aza ny tany amin’ny faritra Boeny. saika nanaja ny fombafomba fisokafana avokoa ireo BV ankoatrin’ny fanaovana antsapaka ny anaran’ireo mpanao sonia ao andamosin’ny bileta. Tsy voahaja izany tany amin’ireo 10% ny BV narahi-maso ary nahatratra hatramin’ny 20% izany tany amin’ny faritra Betsiboka, Menabe ary Vatovavy. Hita tany amin’ny BV narahi-maso avokoa Ireo fitaovam- pifidianana fototra sy saropady toy ny lisim-pifidianana, ny karné-an’ny bileta tokana, ny vata fandatsaham-bato ary ny trano fisainana. Tany amin’ny 87, 7% ny BV dia natao ampahibemaso ny fanokafana izany, ary natrehana délégué-an’ny kandida izany tany amin’ny 97,9% ary nisy mpanara-maso ankoatran’ny SAFIDY voamarika tany amin’ny 55% ny BV.

Torak’izany ihany koa ny fizotrin’ny fandatsaham-bato izay tsy nahitana korontana na herisetra na dia nahitana tsy fanarahan-dalàna aza tamin’ny 5,6% ny BV tao Alaotra Mangoro. Voahaja avokoa ireo fombafomba tokony arahina toy ny fisian’ny sonia 2 ao andamosin’ny bileta tokana, ny fanajana ny fitoeran’ny trano fisainana, ny fanamarinana mitohy ny anaran’ny mpifidy ao amin’ny lisim-pifidianana, ny fitsirihana mitohy ny antontan-taratasy entina mifidy, ary koa ny fanaovan-tsonia na lavatondro ny lisim-pifidianana rehefa avy nandrotsa-bato. Na izany aza, ny fombafomba sasany toy ny fanamarinana ny mitohy ny ankihibe tanana eo ampidirana, na ny fandrarana ny fidiran’ny mpitandro filaminana ao amin’ny BV dia tsy voahaja tanteraka. Nahitana
bileta tokana sy fitaovam-pifidianana avokoa ireo BV narahi-maso. Voahaja ny isan’ny mpikambana telo hatramin’ny dimy ao amin’ny BV. Amin’ny ankapobeny dia nahatratra 45% ny fandraisana anjara ny vehivavy sy ny tanora, ka azo lazaina fa nahafapo izany.

Ny fanakatonana ny biraom-pifidianana sy ny fanisana vato dia nizotra ampilaminana ary tsy nahitana fihetsika tsy voafehy tao amin’ny ankamaroan’ireo biraom-pifidianana narahimaso. Voahaja amin’ny ankapobeny ny ora fikatonan’ny biraom-pifidianana tamin’ny 83,4% na dia nahitana fahataran’ny fikatonana tamin’ny 20% ny biraom-pifidianana tany amin’ny faritra : Vatovavy, Atsinanana, Analamanga, Fitovinany sy Amorin’i Mania. Ny fanisana ampahibemaso ny vokampifidianana ny andron’ny fifidianana, ny fanamarinana ny vata mangarahara alohan’ny fanokafana azy, ny fanatrehan’ny mpikambana biraom-pifidinana telo farafahakeliny dia voahaja avokoa amin’ny ankapobeny. Na izany aza dia ny fanendrena ireo mpanisa vato izay ataon’ireo delegen’ny kandida dia tsy voahaja tao amin’ny 22,2% tao amin’ireo biraom-pifidinana
narahimaso. Ny fanisana ny vokampifidianana dia natao ampahibemaso ary matetika natrehan’ny olona folo farafahakeliny , izay nahitana delege na mpisolo tena ireo kandida ary ireo mpanaramaso.

Ny fikirakirana ireo voka-pifidianana dia voamariky ny fisian’ny tsy fanarahadalana sy ny tsy fahampian’ny mangarahara indrindra teo amin’ny fandefasana ireo vokatra sy ny fikirakirana ireo antontan-taratasy manan-danja, nohon’ny tsy fisian’ny torolalana mazava. Izany dia nahatonga ireo filohan’ny birao-pifidianana sy ireo sefo fokontany nandray fanampahakevitra araka izay noeritreretiny, ary eo ihany koa ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana izay ahiana hisy fiatraikany amin’ny fiovana na fahaverezan’ireo vokatra. Ny tsy fahatomombanana eo anivon’ny SRMV no tena mampiahiahy. Ny fandrarana ireo mpanaramaso tsy hiditra ao amin’ny efitrano anaovana scan, sy ny tsy fanomezana ny fitanana an-tsoratra tao amin’ny 48,7% ny SRMV dia tsy nahafahan’izy ireo nanamarina ny fangaraharan’ny fifidianana. Ankoatr’izay , 30,8% ny SRMV dia tsy nanome ny tabilao famintinana ny vato azon’ny kandida tsirairay. Toy izany koa ny tsy famakiana ampahibemaso ny valimpifidianana tany amin’ny 35,9% ny SRVM . Maro ireo trangan-javatra mampiahiahy araka ny lalàna, toy ny fandikana valina ny tranga manokana ahafahana manokatra indray ny lisitry ny mpifidy, ny fanemorana ny fifidianana, ny fanalavana ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna tsy manaraka ny lalàna velona. Fanampin’izany, ireo fanavaozana farany natao dia zary kajikajy politika kokoa fa tsy noho ny finiavana hanatsara ny zotram-pifidianana, toy ny fiverenana amin’ny fitsinjarana ny toerana araka ny isambato (scrutin proportionnel) sy ny fampifanarahana ny fepotoam-piasan’ny kaominina sy ny an’ny
filohampirenena. Na dia teo aza ny tolo-kevitra naroson’ny SAFIDY hatramin’ny taona 2018, dia tsy nisy fanavaozana lehibe napetraka, ary izany dia tsy nahamaritoerana ny mangarahara sy ny fitoviana lenta teo amin’ny samy kandidà.

Ambany ny fientanan’ny vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra indrindra nohon’ny fasahiranana vokatry ny fisondrotan’ny vidim-piainana sy ny tsy fisiana andavanandro. Ny fanohanan’ireo mpiasam-panjakana sasany ireo kandidà dia manimba ny tsy fiandanian’ny fitondram-panjakana. Nanamfy izany ny fizarazarana sakafo sy fitaovana entina mandribireby ny vahoaka tsy hifantoka amin’ny raharaha politika ka toa lasa atakalo sy voavidy ny vaton’ny mpifidy. Ny tsy fanenjehana sy fanasaziana ireo heloka ara-pifidianana mahatonga ny tsimatimanota dia mampihena ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny zotra-pifidianana. Tokony hamafisina ny fandraisana an-tanana ireo fitorohana sy fanairana mahakasika ny fifidianana amin’ny antso an-taroby maimam-poana sy ny cellule de veille napetraky ny firaisamonim-pirenena.

Mbola maro sy mihamafy hatrany ny fanamby atrehan’ny haino vaky jery mahakasika ny tsy fiandaniana, ny fanelezana vaovao tsy marina, ary ny fandrindrana io tontolo io. Tsy misy ny fahavonona ara-politika hametraka ny ANRCM. Mitoetra hatrany ny fifehezan’ireo mpanao politika ny haino vaky jery ka manohitohina ny fahazoana vaovao tsy mitanila, marina ary maro lafy ho an’ny olom-pirenena. Mandrirtra ny fifidianana dia miparitaka ny vaovao diso sy mitanila ka manimba ny fahatokisana ireo olom-pirenena ny haino vaky jery mahazatra. Izay mihamafy nohon’ny tsy fisian’ny lalàna miantoka ny fahaleovantenana marina ho azy ireo. Na eo aza izany, sy ny tsindry ara-politika ary ny fandrahonana mihamitombo hatrany dia miezaka ny mpanao gazety manao ny andraikiny amin’ny fizarana vaovao sy fanentanana ny olom-pirenena indrindra any
amin’ny tontolo ambanivohitra.

Ny fandalinana mahakasika ireo vaovao tsy marina, iniana disoana sy ovaina, ary ireo kabary fankahalana amin’ny tambajotra serasera nandritra ny androm-pifidianana dia maneho fa maro ireo fizarana miteraka olana sy mandrisika ny hafa amin’ny herisetra tao amin’ny vondrona Facebook maromaro. Ny sasany dia ataon’olona amin’ny tena ny kaontiny marina. Na ambany aza ny risika, dia hita taratra tamin’izany ny mahamaika ny fanamafisana ny fitandremana amin’ny fampiasana ireo tambajotra nomerika sy ny fanabeazana ny mampiasa azy.

Ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy, na dia nahitana fihatsarana kely aza, dia mbola azo lazaina fa ambany. 93 ihany no vehivavy ben’ny tanàna voafidy amin’ny ben’ny tanàna miisa 1695 (5,48%), 53 tamin’ izany dia avy amin’ny IRMAR, 30 dia kandidà tsy miankina ary 10 kosa dia avy amin’ny antoko hafa. Tsy mitovy ny fitsinjarana izany isam-paritra, ka ny faritra sasany toa an’i Androy sy Boeny dia tsy manana ben’ny tanàna vehivavy mihitsy.

Ankoatra izany, mbola tsy ampy ny fandraisan’anjaran’ny tanora sy ny olona manana fahasembanana. Izany dia vokatry ny tsy fisian’ny fanangom-baovao maripototra sy ny tsy fahampian’ny fahafahana miditra sy mampiasa ny biraom-pîfidianana hoan’ny olona manana fahasembanana. NY tsy fahampian’ny antotanisa dia tsy ahafahana manao famakafakana lalina ny tena isan’ny solontenan’izy ireo voafidy eny ifotony, na dia eo aza ny ezaka natao mba hampidirana ireo antontanisa ireo ao anatin’ny fitanana an-tsoratra.

Tsy dia nisy fiatraikany loatra ny fanentanana momba ny fanabeazana ny mpifidy, indrindra fa nytanan-dehibe ihany no voakasik’izany ary tsy tafapaka tany anivon’ireo vondron’olona marefo, toy ny olona manana fahasembanana sy ny mponina any ambanivohitra izany. Tsy nohavaozina ny paikadin’ny CENI hatramin’ny taona 2017, tsy dia nisy fiatraikany ny serasera manodidina ny fanavaozana tampoka ny lisitry ny mpifidy. Na dia nanao ezaka manokana aza ny firaisamonim- pirenena, dia mbola tsy ampy ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy, tanora ary ny olona manana fahasembanana, indrindra noho ny tsy fahafahana mivezivezy sy tsy fahampian’ny ny angom.baovao araka ny tokony ho izy.

Manoloana ireo fanamarihana rehetra hita nandritra iny fifidianana iny, dia ireto avy ireo tolo-kevitra laharampahamehana hanatsarana, hanamafisana ny mangarahara ary hiantohana ny fandraisana anjaran’ny rehetra anjara amin’ny fifidianana manaraka,

● Hamafisina ny mangarahara sy ny fanajana ny lalàna amin’ny fikirakirana ny voka- pifidianana: Fampiharana feno ireo fepetra mahakasika ny fanaovana fitananana an-tsoratra rehefa tsy tonga any amin’ny SRMV ny taratasim-pifidianana, ny famakiana ampahibemaso ny vokatra, ny fanamafisana ny zon’ny mpanara-maso sy ny fanatsarana ny fanofanana ny mpiasan’ny CENI;
● Hatsaraina ny lalàna sy ny fitantanana ny fifidianana:. Amafisina ny lalàna mifehy ny fangaraharana sy ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra; fametrahana sazy hentitra amin’ireo tranga tsy fanarahan-dalàna.; fiantohana ny fisian’ny fifidianana amin’ny fiafaran’ny fepotoam-piasana; fametrahana mazava ireo fepetra ahafahana manokatra tsy arapotoana ny lisipifidianana.
● Iantohana ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny CENI: Fiantohana fisian’ny mangarahara amin’ny fanendrena sy ny fanesorona olona eo anivon’ny rantsa-mangaikan’ny CENI sy ny lehiben’ny Fokontany; Fampahafantarana ampahibemaso ireo fanampahankevitra rehetra noraisina sy ny tetibola iasan’ny CENI; Fanatsarana ny fahazoana vaovao ho an’ireo mpisehatra eny ifotony.

● Hamafisina ny mangarahara sy ny fiarovana ny zotra-pifidianana: Fanamafisana ny mangarahara sy ny fiarovana ny tranokalan’ny CENI ary ny fanamafisana ny fahaizamanao an’ireo mpiasa; Fanamafisaka ny ireo fifampidinihana mba hanatsarana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra.
● Hatsaraina ny fampandraisana anjaran’ny sokajin’olona rehetra amin’ny fifidinana : Fanaovana fikarohana sy fanadihadiana momba ireo vondron’olona marefo (tanora, vehivavy, olona manana fahasembanana); Fanavaozana ny paikady mahakasika ny fanabeazana ara-pifidianana. Fanajariana ny birao fandatsaham-bato mba ahafahan’ny ny olona manana fahasembanana mandray anjara amin’ny fifidianana; fanatsarana ny fanangonam-baovao mahakasika azy ireo eny amin’ny birao fandatsahambato.
● Hamafisina ny lalàna mifehy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny fiarovana ireo mpanao gazety: Fametrahana ny ANRCM mba hiantohana ny fandrakofam-baovao voalanjalanja, fanofanana ny mpanao gazety amin’ny fiarovana nomerika, famahana olana maika, fanadihadiana ny fahamarinan’ny vaovao sy ny fanajana soa toavina mba hanomezana vaovao marina; Fiantohana ny fisokafan’ny haino aman-
jerim-panjakana ho an’ny tombontsoam-bahoaka fa tsy tombotsoa politika manokana;
● Fiadina mahomby amin’ireo kabary fankahalana: Azavaina tsara anaty lalàna ny atao hoe kabary fankahalana sady hiantohana ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra; Fanaovana hetsika fanentanana mahakasika ireo lalàna mifehy ny fifanakalozam-baovao anaty tambazotra sy ireo sazy mifandraika amin’izany
● Hatsaraina ny fitantanana ny fanairana momba ny fifidianana: Fanatsarana ny fanaraha-maso ny tatitra fanairana amin’ny alalan’ny laharana maintson’ny CENI, fampiasana ny fitaovana efa misy toy ny i-report sy ny ivoterana fandraisambaovaon’ny firaisamonim-pirenena.

Ny sampana fanarahamaso ny fifidianana SAFIDY dia tohanan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Fikambanana Iraisam- pirenenan’ny Frankofonia. Ny votoatin’ny fanambarana rehetra dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny firaisamonimpirenena mikambana ao aminy : AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy azo raisina ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Fikambanana Iraisam-pirenenan’ny Frankofonia na OIF. Amin’ny fiarahamiasany amin’ny tetikasa MANEHOA dia tafiditra amin’ny tatitra ataon’nny SAFIDY ny tatitra fanarahamaso ny haino vaky jery sy ny tambajotra serasera ataon’ny ONG ILONTSERA sy ny CID

Laisser un commentaire