« VATO IRAY, FEO IRAY, DEMOKRASIA MAFY ORINA »
FANAMBARANA AN-GAZETY
Antananarivo, 18 jolay 2025
Izahay, fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena (OSC) miasa ho an’ny demokrasia, ny zon’olombelona ary ny fitondrana tsara tantana, izay manao sonia ity fanambaràna ity, dia mino fa ny fampandrosoana maharitra sy mampiaty eto Madagasikara dia tokony hiorina amin’ny zotram-pifidianana malalaka, mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara ary azo itokisana. Noho izany, dia averinay indray ny tolo-kevitray momba ny fanavaozana ny rafitra lalàna momba ny fifidianana, araka izao ambara manaraka izao.
1. VANIM-POTOANA MIALOHAN’NY FIFIDIANANA
Antontan-taratasy ilaina amin’ny firotsahan- kofidiana :
- Ampidirina amin’ny fepetra tokony hanekena ny fahafahana hirotsaka ho fidiana ny fanolorana vinavina-na teti-bola momba ny fampielezan-kevitra izay manazava ny vola manontolo ilaina sy ny loharanon’ny famatsiam-bola;
- Hamaivanina ny antontan-taratasy ilaina amin’ny firotsahana ho amin’ny fifidianana eny ifotony (tokony ho fohy araka izay tratra ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina, ary hapetraka ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana izany).
Ny saran’ny petrabola amin’ny firotsahana :
- Asiana fepetra ara-dalàna amin’ny fanombanana ny vola fandraisan’anjara amin’ny fanontàna ireo biletà tokana.
Datin’ny fifidianana :
- Apetraka ny fotoana raikitra hanatanterahana ny fifidianana, amin’ny alalan’ny famaritana mazava ny vanim-potoana hanaovana azy ao anatin’ny taona, ho fanajana ny faharetan’ny fe-potoana, ny fahafahana maminavina ary ny fitoniana amin’ny fizotry ny fifidianana.
Fampandraisana anjaran’ny lahy sy vavy ary ny fampiatiana :
- Asiana taham-pisoratana anarana voatery ho an’ny vehivavy sy tanora amin’ny lisitra kandida atolotry ny antoko politika;
- Ampiharina ny fepetra amporisihana ireo antoko manaja ny fitovian’ny lahy sy vavy ary mijery ireo sokajin’olona manana fahasembanana.
- Hamaivanina ny vola fandraisan’anjara ho an’ny vehivavy mirotsaka.
Lalàna mifehy ny zom-pirenena :
- Havaozina sy hazavaina ireo andininy manjavozavo sy ifandirana amin’ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena;
- Ahitsy ny lalàna mifehy ny fifidianana amin’ny alalan’ny famaritana mazava fa izay mizaka ny zom-pirenena Malagasy tsy misy fanampiny irery ihany no mahazo mirotsaka amin’ny fifidianana nasionaly.
Didim-pitondrana momba ny famoriam-bahoaka :
- Havaozina ny didim-pitondrana hifanaraka amin’ny fepetra voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fanesorana ny fangatahana alalana mialoha;
- Ny famoriam-bahoaka amin’ny fifidianana : Iantohana ny fahafahan’ ny antoko politika manao famoriam-bahoaka am-pilaminana, ka manao fanambaràna mialoha fotsiny dia ampy. (Izay fandraràna atao dia tsy maintsy misy antony voasoratra sy noho ireo tombotsoa imbonanana manandanja, ary nahazoana ny hevitry ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, izay tokony hapetraka ao anatin’ny lalàna vaovao).+
Vaomiera Mahaleotena Momba ny Fifidianana (CENI)
CENI-Rafitra maharitra :
- Ampidinina ny taona fidirana ho mpikambana maharitra ao amin’ny CENI (amin’izao fotoana izao izany dia 40 taona), mba hahafahan’ny tanora mandray anjara mavitrika amin’ny fanapahan-kevitra;
- Iantohana ny fisian’ny fifandanjana ara-politika amin’ny mpikambana maharitra amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ireo avy amin’ny antoko mpanohitra (oh: fanendrena avy amin’ny lehibe mpitarika ny antoko mpanohitra na ny vovonan’ny mpanohitra).
CENI-Rafitra tsy maharitra :
- Hatsangana ny fepetra mazava mikasika ny fametrahana ny rafitra tsy maharitra ary iantohana ny fahazoan’ireo mpikambana mandrafitra azy handray anjara feno amin’ny fanapahan-kevitra ao amin’ny birao maharitra, mba hahazoana antoka fa mitovy sy ara-drariny ny fomba iandraiketana ny mpifaninana amin’ireo sokajim-pifidianana rehetra.
Tetibolan’ny fifidianana :
- Omena rafitra manokana amin’ny fitantanana ara-bola ny CENI mba hanalefahana ny fomba ampiasana vola sy fitantanana izay hita fa mavesatra sy mandany fotoana amin’izao fotoana izao. Izany hoe fanomezana ny CENI kaonty fitehirizana manokana ho azy ary ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola dia atao aorian’ny fandaniana.
Fahaleovantenan’ny CENI :
- Omena fahefana ny CENI amin’ny famerana ny vola fandraisan’anjara (caution) amin’ny fanontàna biletà tokana, araka ireo fepetra efa voafaritra, sy amin’ny famaritana ny datin’ny fifidianana.
Fampidirana mpiasa ao amin’ny CENI :
- Iantohana ny fahamarinana sy ny tsy fiandaniana amin’ny fifantenana ny Tonia mpanatanteraka sy ny ekipa mpitantana hisoroana ny kitranoantrano sy ny fifangaroan’ny tombotsoa (oh : fanankinana izany amin’ny rafitra tsy miankina na komity misahana ny fifantenana ahitana mpanaramaso sy ny rafitra miady amin’ny kolikoly)
- Asiana fifidianana hisafidianana ireo komity mpanatanteraky ny CENI isan’ambaratongany (Aorian’ny fiantsoana malalaka hitan’ny daholobe);
- Terena ireo mpiasa ao amin’ny CENI izay avy amin’ny rafitra na andrim-panjakana iray handao vonjimaika na hiala tanteraka amin’ny asany teo aloha, mba hisorohana ny loza ateraky ny fifangaroan’ny tombontsoa sy faneriterena avy amin’ny lehibeny.
Fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy :
- Halavaina ny fe-potoana fanokafana lisitry ny mpifidy;
- Apetraka mialoha ny fe-potoana hentitra sy ara-drariny, mialoha lavitra ny andron’ny fifidianana, mikasika ny fanokafana ny lisitry ny mpiifdy amin’ny alalan’ny didy hitsivolana;
- Apetraka ny masontsivana mazava sy famaritana mikasika ireo toe-javatra miavaka sy manan-danja ahafahana manokatra indray ny lisitry ny mpifidy;
- Asiana fitsirihana sy fanaraha-maso tsy miankina tsy tapaka ny angondrakitra ara-pifidianana sy ny rafitra informatika mikasika ny fikirakirana ny voka-pifidianana, amin’ny fotoana voafetra, mba hahazoana antoka fa azo itokisana izany.
Fahafahana mahazo vaovao azon’ny daholobe trandrahana (Accès à l’information à caractère public) :
- Apetraka ny lalàna momba ny fahafahana mahazo sy mampiasa ireo vaovao azon’ny daholobe trandrahana, mba ahafahan’ny mpanaramaso sy ny olom-pirenena mahazo vaovao manan-danja toy ny fanapahakevitra ofisialy avoakan’ny CENI, ny tatitra sy angon-drakitra amin’ny antsipiriany, ny sary nalaina (scan) mahakasika ny voka-pifidianana avy eny amin’ny SRMV.
Fanaraha-maso ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra :
- Hamoraina sy terena ny fanokafana kaonty amin’ny banky ho an’ny kandida rehetra, mba hahazoana antoka ny mangarahara;
- Fampadehanana araka ny tokony ho izy ny CCFVP sy ny fanomezana azy tohana ampy ahafahany mamita ny iraka apetraka aminy.
- Ferana ny fandaniana mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny alalan’ny:
- Fanomezana fahefana amin’ny CENI amin’ny fandrindrana famoriam-bahoaka ahafahan’ny kandida miteny am-pahibemaso (tsy mila manofa fitaovana ny kandida fa ny CENI no miandraikitra izany);
- fandraràna ny karazana fandaniana sasany (oh: fizaram-bola tsy misy fepetra…);
- famerana ny fanomezana tsy fantatra anarana.
Pre-campagne (fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana) :
- Ferana mazava ny fe-potoana sy fitsipika mifehy azy, ary koa ny sazy ho an’ireo mandika izany.
Fampitàna amin’ny haino aman-jery :
- Avoaka ny didim-panjakana mametraka ny ANRCM (Rafitra nasionaly misahana ny fifehezana ny serasera amin’ny haino vaky jery).
Fisokiran-kevitra (Sondage) :
- Ekena ny fanaovana fanadihadiana momba ny fifidianana arahana fepetra hentitra ara-tsiantifika sy metodolojika;
- Avela hamoaka ny vokatra avy amin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo ny haino aman-jery, ho fampitahana sy fanehoana mangarahara.
2. VANIM-POTOANA NY FIFIDIANANA
Mpanaramaso lasibatra amin’ny antsonjay sy fanenjehana ary teritery :
- Apetraka ny lalàna fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy (lanceurs d’alerte).
Vokatry ny fifidianana :
- Apetraka ny fepetra manery ny famoahana vokatra sy ny fironam-bokatra azy izany dia atao amin’ny fomba mangarahara sy mora azon’ny olona ampiasaina eny amin’ny ambaratonga rehetra: kaominina, distrika, faritra, faritany amin’ny alalan’ny tranonkalan’ny CENI. (Avoakan’ny CENI miandalana amin’ny tranokalany ofisialy ny voka-pifidianana isaky ny biraom-pifidianana rehefa vita fikirakirana sy fankatoavana miaraka amin’ny PV. Avoaka isaky ny biraom-pifidianana avy hatrany ihany koa aorian’ny fanambarana ny vokatra vonjy maika).
- Omena alalana ny mpanaramaso nahazo fankatoavana sy ny solontenan’ny kandidy ny antoko politika hanaramaso ny fomba fikirakirana ny PV eny amin’ny biraom-pifidianana mandritran’ny fametrahana ny vokatra farany eo anivonny Fitasara Avo momba ny Lalàm-panorana HCC sy ny Tribonaly misahana ny fifidianana.
Fanaraha-maso ny fifidianana :
- Omena fahefana ny mpanaramaso hangataka fampitahana ny PV (procès-verbal) na ny fandraisana an-tsoratra;
- Halavaina ny fe-potoana 10 andro hametrahana ny tatitry ny fanarahamaso mba hiantohana ny fanarahamaso feno ireo dingana rehetra amin’ny fanarahamaso ary hahafeno ny tolokevitra.
Fifanolanana ara-pifidianana :
- Itarina ny fe-potoana ahafahana mametraka fitoriana mikasika ny fanakianana ny maha aradalàna ny fizotran’ny fampielezan-kevitra sy sy ny fanatontosana ny latsabato, amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra ara-dalàna mamaritra fotoana ara-drariny;
- Faritana ao anaty ny lalàna ny fitsipiky ny » jours francs » (fetr’andro madio), ho an’ny fitoriana etsy andaniny ary ny fikarakirana ny fitoriana eny anivon’ny fitsarana etsy andaniny;
- Faritana mazava ny famindrana avy hatrany ny antontan-taratasy ahitana fandikan-dalàna avy amin’ny mpitsara mikasika ny fifidianana mankany amin’ny mpitsara adi-heloka, miaraka amin’ny rafitra fanaraha-maso.
3. VANIM-POTOANA AORIAN’NY FIFIDIANANA
Tatitra momba ny kaontin’ny fampielezan-kevitra :
- Apetraka ny sazy mikasika ny tsy fanarahana ny fepetra voalazan’ny lalàna momba ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra, anisan’izany ny tsy fanaterana tatitra ara-bola: ka mety hitarika ny fandraràna ny firotsahana amin’ny fifidianana manaraka sy fanafoanana ny voka-pifidianana.
Ny fametrahana lalàm-pifidianana matanjaka sy mafy orina miaraka amin’ny ny fampiharana hentitra no fototra iorenan’ny fanatsarana ara-drafitra sy ara-piarahamonina eto amin’ny firenena. Izany dia mitaky fahavononana politika mazava sy tsy mivadika avy amin’ireo mpitondra. Raha tsy izany, dia hitoetra ho soratra fotsiny ihany na dia tsara toa inona ny fanoratana ny lalàna. Noho izany, izahay dia manohana ny fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitondra amin’ny fiarovana ny soatoavina demokratika.
Ity fandraisan’andraikitra ataonay ity dia ho fanamafisana ny demokrasia sy ny fandrosoana mankany amin’ny fomba hahazoana tombony hoan’ny olompirenena rehetra eto Madagasikara, sy ireo taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
« VATO IRAY, FEO IRAY, DEMOKRASIA MAFY ORINA »
Lisitr’ireo fikambanana manao sonia :
FIKAMBANANA ETO MADAGASIKARA
1 A.PRO.ME.CE ( Appui à la Promotion des activités des Mères Célibataire)
2 Action Intercoopération Madagascar AIM
3 Actions Sans Frontières
4 AFJN
5 AJADDI District Iakora
6 AJMAF
7 Alliance Voahary Gasy AVG
8 AMI TSIHOMBE
9 AMICAL NATIF DE FISAKANA ANF AMBATOFINANDRAHANA
10 AMPELA MIHETSIKA
11 ANDRIMASO
12 ANDRIMSO FFKM
13 ANJOANINA (Association des personnes handicapées dans le commune Ambohiidratrimo est ses environs)
14 ANTSIVA
15 APEP (ASSOCIATION DES PROMOTIONS DES ENSEIGNANTS DU PRIMAIRE) AMBATOFINANDRAHANA
16 ART Malagasy Mahajanga
17 ASD
18 ASPRODROHOM
19 Association AJCD MADAGASCAR 6ème Arrondissement;
20 Association AJMAF Farafangana
21 Association ANJOANINA Ambohidratrimo
22 Association ANTSO AVO (3A) . BEROROHA/ TOLIARA.
23 Association ARINDRA MAHARITRA
24 Association ASADI : Analystes Solidaires et Acteurs de Développement Inclusif
25 Association ASDFEM
26 Association AVOTRA (Aina Voakolo TarigetRa ny Asanay)
27 Association des Femmes Handicapées de Madagascar AFHAM
28 Association des femmes journalistes
29 Association des Jeunes Actif Ankilizato (AJ2A)
30 Association des Jeunes Actifs AJA Vavatenina
31 Association des Jeunes Etudiants de Maritampona en Action AJEMA
32 Association des Jeunes Formateurs Assistants Conseillers Etudes AJFACE Antsiranana
33 Association des Jeunes Intelectuel Manasoa AJIM
34 Association des Jeunes Mpanjono Faux cap (AJMF)
35 Association des Jeunes Mpikabary Antsiranana (AJP)
36 Association des Jeunes pour le Développement du Territoriale Durable, Miarinarivo AJDTD
37 Association FAFAMA Moramanga.
38 Association FAMELOGNO Analanjirofo
39 Association FANANTENANA District Antanifotsy
40 Association FANJIRY Tsihombe
41 Association FANOITRA TOLIARA
42 Association FARM Mandoto
43 Association FOOTBALL CLUB MAKY
44 Association Gasy Tosika Nosy-Be AGT
45 Association HAONA SOA Fianarantsoa
46 Association Jeune Faraony (A.J.F )
47 Association Jeune FISA Madagascar Bekily
48 Association JOHARY Région ANALAMANGA
49 Association JOHARY Région ATSINANANA
50 Association KUNG-FU WISA Ambatoboeny .
51 Association MAINTIMOLALY Tsiroanomandidy (Faritra Bongolava)
52 Association MAROVATO IHAROA (AMI)
53 Association MAVILA TOAMASINA
54 Association MIRAY SAFIDY ( Assoçiation des personnes handicapés de tanjombato)
55 Association MMST DIANA
56 Association Move On Androy
57 Association Nationale pour la Justice Administrative Madagascar ANJA
58 Association NY HOAVINAO Faritra Itasy Distrika Miarinarivo Kaominina Antoby Est Fokontany Andakana
59 Association RADEAU Tana
60 Association SAVA REPORTERS
61 Association SIMIRALENTA
62 Association TAFITA
63 Association Tafita Amboasary-Sud
64 Association Tanora Miandra Vohibato
65 Association TATAMO Atsimondrano
66 Association TAVANDRA DIANA
67 Association THB Bekily
68 Association TOKINIAINA Ambatolampy
69 Association VOGNINALA TAMATAVE
70 Associations des Jeunes Ambinanikely (AJA)
71 AVENIR des JEUNES (AJ)
72 AVOTRA
73 BE.MI.TA (Benenitra Miray Tafaharo)
74 BEMIRAY ( BERIZINY MIHARO ARAIKY)
75 BIMTT
76 C.A.S.M Cercle d’Amis du Sud de Madagascar Taolagnaro
77 CCOC (Collectif des citoyens et des organisations citoyennes)
78 CEDII
79 Centre Arrupe
80 CHORAL FEON’NY FAMONJENA
81 CID Communication Idea Development
82 Coalition FVMT Ambohitsilaozana
83 Coalition Nationale des OSC pour la Pêche et L’Economie Bleue na Vovonan’ny Firaisamonimpirenena misehatra amin’ny Jono sy Toekarena Manga CNOSC PEB
84 Coalition nationale pour le plaidoyer environnemental CNPE
85 CODE Menabe
86 COEURSS (Coeurs Ouverts Ensemble Unis et Responsables poy uni Société Saine)
87 COJEAA (Collectif des OSC des Jeunes Engagés Atsimo-Andrefana)
88 Collectifs des Associations de Femmes de Fianarantsoa CAFF
89 DRV (Dinika sy rindra ho an’ny vehivavy)
90 F.T.Z.A.T.FI (Fikambanany Tanora Zanak’i Ampanihy Tia Fivoarana)
91 FAFAMA ( Fampandrosoana ny FANABEAZANA eto MADAGASIKARA) Moramanga
92 FAGNEVA
93 FAGNIMBOGNA
94 FAMI FAGNOTSAFA MIVANTAGNA Vohipeno
95 FANANTENANA
96 FANASINA
97 FANDIO
98 FANJIRY
99 FANJIRY TSIHOMBE
100 FARM ( femme en Action Rurale Madagascar)
101 Federasionina ny Vehivavy Tantsaha Mpamokatra (FVTM)
102 Fédération des Associations de Journalistes de Madagascar
103 FEFFI TARATRA( Farimbon Ezaka ho Fanatsarana ny Fanabeazana eny ifotony TARATRA)
104 FES Friedrich Ebert Stiftung Madagascar
105 FI.BE.TAM ( Fikambanam-BEhivavy TAntsaha Mamokatra)
106 FI.MPI.ZA.MA 2 ( Fikambanana Mpianatra Zanaka Mahajanga 2)
107 FI.TA.MA.TSA
108 FI.TA.ZA.RA.(Fikambanany Tanora Zanak’i Ranomafana)
109 FI.ZA.MI (fikambanana,zanaka ,Anjalazala,Miray).
110 FIFAVTA FikambananaFampandrosoana’ny’Vehivavy’Tantsah’District’mahajanga’faharoa
111 FIHARY
112 Fikambanana F.T.Z.A.T.FI Fikambanany Tanora Zanak’i Ampanihy Tia Fivoarana
113 Fikambanana FAGNIMBOGNA IFANANDINA
114 Fikambanana Fikambanan ny Sembana Faritra Ihorombe
115 Fikambanana LOVASOA Ampasimbola Marolambo
116 Fikambanana MAINTIMOLALY TSIROANOMANDIDY
117 Fikambanana MaMi Mitsinjo
118 Fikambanana MATSILO SAINA
119 Fikambanana MENDRIKA AMPANIHY Ouest
120 Fikambanana MIAVOTENA Sambava
121 Fikambanana TA.FA TAnora ho an’ny FAmpandrosoana Analamanga
122 Fikambanana TANOMAFY ( jeune ambassadeur de paix) Anosipatrana antsinana
123 Fikambanana Vehivavy Vanona sy Vanona (VVV) Androy
124 Fikambanana VMLF Toamasina II
125 Fikambanan’ny Tantsaha ho Fampandrosoana ny eny ambanivohitra
126 Fikambanan’ny terak’alaotra mangoro(FITEAM) Antanambao Manampontsy
127 Fikambanan’ny Zanak’i Ranotsara-Sud FIZARA
128 FIM (Fanilon’I Madagasikara)
129 FIMITA (Fikambanana MIkolo Tanora Ambanivohitra Tsarasaotra)
130 FISEFI (Fikambanan ny olona manana Fahasembanana Faritra Ihorombe)
131 FITAHAFA (Fikambanany Tanora Hampandroso Faritra Ankazoabo)
132 FITALFA (FIkambanan’ny TAnora Liampivorana @ FAmpandrosoana). ISANDRA
133 FITAZARA (FIkambanan’ny TAnora ZAnaky RAnomafana)
134 FITSAHA ANTANIMORA ANDROY
135 FIZAMO (FIKAMBANAN ZANAKY MORAMANGA)
136 FIZOMIA (Fikambanana zokiolona miavotra ambano)
137 FOCUS DEVELOPMENT ASSOCIATION FDA
138 FSMM ( Fikambanany Sembana Miara-Mandroso eto Mandritsara)
139 FTFA (Fikambanan ny Tantsaha Fampandrosoana ny Ambanivohitra)
140 FTFA Ankadikely Ilafy
141 FTMF ( Fikambanan’ny Tanora Mandala ny Fahamarinana ho fampandrosoana ny firenena )
142 Gny To tsy mba Zainy Ihorombe
143 GTS (GROUPE TONGA SAINA)
144 HANDICAP ESPERANCE
145 HETSIKA FAMPIRAISANA KRISTIANA HO AN’NY FIRENENA (HFKF)
146 INTERNEWS
147 JAP MADA (Joueurs Arbitres Participants à Tsihombe)
148 JCI ANTSIRANANA
149 JMT ( Jijy Mifehe Toetse )
150 JUSTICE ET PAIX
151 Kin Sain Mi Be KINGA SAINA MITSINJO BEALANANA.
152 KMF CNOE
153 KOLOHARENA FANILO
154 KUFUM( Kung Fu Malagasy)
155 LIBERTY 32
156 LOVASOA ( Lohamandry vavahadin’ny fasoavana )
157 MAGNEVA
158 MAHASOA MIRAY(MA.MI)
159 MANANKANDRA
160 MAROLAFY
161 MIARADIA
162 MIFAMA Antananarivo
163 MIKAJY
164 MILAZARA
165 MIRAY
166 MMFLP
167 MoNEPT Mada
168 MOUVEMENT ROHY
169 MOVE ON ANDROY
170 MPAM ( Mpamboly Miraihina)
171 MPANABE MIRAY
172 MSIS Tatao
173 Ny ONG MIVOATRA Atsinanana
174 NY TANINTSIKA
175 OBS Mada SOFIA
176 Observatoire de la jeunesse
177 Observatoire de la Jeunesse ANDROY
178 Observatoire de la Jeunesse ANJOZOROBE
179 ONDH (Observatoire National des Droits Humains)
180 ONDH BOENY (Observatoire National des Droits Humains de la région Boeny)
181 ONG 3A
182 ONG EDEN (Entreprendre pour le Développement et l’Environnement)
183 ONG FAFED Toamasina
184 ONG FAGNEVA
185 ONG FAGNEVA Toamasina II
186 ONG FANDROSOANA Ambatondrazaka
187 ONG FIANTSO Madagascar
188 ONG FIVOY
189 ONG HASINA
190 ONG ILONTSERA
191 ONG IVORARY
192 ONG OLO VOGNONO
193 ONG Ravintsara
194 ONG TOLOTSOA
195 ORDH DIANA (Observatoire régional des Droits Humains Diana)
196 OSC-E MANDRESY DIANA
197 PAJB (Plateforme des Associations des Jeunes de Befandriana Nord)
198 PCDDBA (Plateforme de Concertation de Développement Durable de la Baie d’Antongil)
199 PFNOSCM (Plateforme Nationale des Organisations de la Société civile de Madagascar)
200 PFPH-MAD (Plateforme des Fédérations des Personnes Handicapées)
201 PFROSC ALAOTRA MANGORO (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région Alaotra Mangoro)
202 PFROSC AMORIN MANIA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région AMORIN MANIA)
203 PFROSC ANALAMANGA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région ANALAMANGA)
204 PFROSC ANALANJIROFO (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région ANALANJIROFO)
205 PFROSC ANDROY (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région ANDROY)
206 PFROSC ANOSY (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région ANOSY)
207 PFROSC ATSIMO ANDREFANA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région ATSIMO ANDREFANA)
208 PFROSC ATSIMO ATSINANANA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région ATSIMO ATSINANANA)
209 PFROSC ATSINANANA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région ATSINANANA)
210 PFROSC BETSIBOKA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région BETSIBOKA)
211 PFROSC BOENY (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région BOENY)
212 PFROSC BONGOLAVA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région BONGOLAVA)
213 PFROSC DIANA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région DIANA)
214 PFROSC FITOVINANY (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région FITOVINANY)
215 PFROSC HAUTE MATSIATRA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région HAUTE MATSIATRA)
216 PFROSC IHOROMBE (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région IHOROMBE)
217 PFROSC MELAKY (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région MELAKY)
218 PFROSC MENABE (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région MENABE)
219 PFROSC SAVA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région SAVA)
220 PFROSC SOFIA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région SOFIA)
221 PFROSC VAKINAKARATRA (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région VAKINAKARATRA)
222 PFROSC VATOVAVY (Plateforme Régional des Organisations de la Société Civile de la région VATOVAVY)
223 Plateforme 3VHF (Vondron’ny Vehivavy Vonona Hifanampy ho amin’ny Fampandrosoana)
224 Plateforme TANTANA Moramanga
225 PSBED
226 PSC SAVA
227 RANO SY VARY MADAGASIKARA Analamanga
228 RAVINALA
229 READ DSS
230 Réseau des jeunes OBS Mada Betsiboka Maevatanana
231 Reseau des Jeunes OBS Mada Menabe
232 Réseau des Jeunes ObsMada Androy
233 Réseau Malgache du Handicap RMH
234 Réseau pour l’Eradication de la Violence REV Haute Matsiatra
235 RIVA Madagascar
236 ROPE
237 SAF FJKM Antananarivo
238 SAFIDY
239 SAHI (Sehatra Ampandrosoana Haingana Ivom-paritra )
240 SAIOMF MADA Antananarivo
241 SANTATRA
242 SCOT
243 SCOUT Amboasary atsimo
244 SIF (Sehatra iombonanan ho an’ny fananantany na Solidarité des intervenants sur le foncier)
245 SMS Sembana Miavo-tena SOALALA
246 SOALIA
247 SSM
248 STK (sampana tanora kristianina)
249 SYNDICAT
250 T.I.KR.I (Tanora Irak’i Kristy Izahay)
251 T.M.T. ( Tanora Mitambatra ho an’ny Tanindrazana) Antsirabe I
252 TA.BE.MI (Tanora Betioky Miray )
253 TA.MI.FA (Tanora Mijoro ho an’ny Fampandrosoana)
254 TABEMI TAnora BEtioky MIray . Betioky Atsimo
255 TAFO MIHAAVO
256 TAKRIFA (Tanora Kristiana Faneva Antodinga)
257 TAMAMPIRAPI
258 TAMPIKRI (TANORA MPIANATRA KRISTIANINA) KANDREHO
259 TANORA MAITSO LALANGINA
260 TANORA MIARINA PROJECT Miarinarivo
261 TANTSAHA TSY MIALO
262 TATAO M2 ( Tambazotra ny Tanora Matsiatra Ambony)
263 TEM (Tily Eto Madagasikara)
264 TIALONGO
265 TI-MG (Transparency International – Initiative Madagascar)
266 TMHB ( Tanora Miantrika ny Hoaviny Eto Bekily)
267 TNMF (Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra amin’ny Fifidianana)
268 TSIAFARA MADAGASCAR
269 TSINJOLAVITRA
270 TSIRATY TSIHOMBE
271 U.F.F ( Union Foot bal Familliale )
272 V.O.I AMI.(Vondron’Olona Ifotony Andranopasy Miasa.)
273 VEHIVAVY MANOVOSOA
274 Vehivavy Vonona Antsinanantsena Ivohibe
275 Viavy-Siansa-Fampandrosoana VSF Fianarantsoa
276 VLM (VOKOVOKO MANGA LOTERANA MALAGASY)
277 VMA TSIHOMBE
278 VMF (Vehivavy Miatrika Fampandrosoana eto Manakara)
279 VMLF (Vondrona Miralenta ho amin’ny Fampandrosoana)
280 VTKT (Vovonan’ny Tanora Katolika Tsarahasina)
281 VVA (Vehivavy Vonona Antsinanantsena) Ivohibe
282 YMCA Madagascar
283 Z.Z.F ( ZaZa Faraony)
284 ZANAKA AMBANIVOLO
———x———
N° NOMS ORGANISATIONS OCEAN INDIEN – AFRIQUE
285 COLLECTIF DES ORGANISATIONS DE LA SOCIETE CIVILE POUR LES ELECTIONS COSCE SENEGAL
286 COMMISSION NATIONALE DES DROITS DE L’HOMME ET DES LIBERTÉS CNDHL COMORES
287 CONSEIL DE LA PAIX ONG CAP COMORES
288 DIS MOI OCEAN INDIEN (Droits Humains Océan Indien)
289 ONG 3D DEMOCRATIE DROITS HUMAINS ET DEVELOPPEMENT LOCAL SENEGAL
290 RESEAU D’ENGAGEMENT SOLIDAIRE POUR LA PAIX ET L’INCLUSION REGIOALE RESPIR OCEAN INDIEN (Maurice, Comores, Madagascar, Seychelles)
291 RESEAU DES OBSERVATEURS ELECTORAUX FRANCOPHONES SENEGAL
292 RESEAU NATIONAL DES FEMMES LEADERS POUR LA PAIX RNFLP COMORES
293 RESEAU NATIONAL DES JEUNES LEADERS POUR LA PAIX RNJLP COMORES