Tatitra voalohany mikasika ny fanarahamaso ny fifidianana kaominaly sy monisipalyny taona 2024
You are currently viewing Tatitra voalohany mikasika ny fanarahamaso ny fifidianana kaominaly sy monisipalyny taona 2024

FANAMBARANA

Nanamarika ny fifidianana kaominaly sy monisipaly 2024 ny tsy fanarahan-dalàna maro, ary mitoetra hatrany ireo lokanady manoloana ny fangaraharana sy ny fandraisan’anjara ny rehetra

Antananarivo, faha 14 desambra 2024

Fanamarihana ankapobeny

Amin’ny ankapobeny, dia nizotra ampilaminana ihany ny fifidianana kaominaly tamin’ireo biraom-pifidianana narahina maso, voahaja ny fombafomba fifidianana ary ampy ireo fitaovana. Na izany aza dia maro ireo tsy fanarahandalana voaray tamin’ny laharana maintson’ny SAFIDY. Tany amin’ny 20.4% ny biraompifidianana narahiana maso dia nahitana mpitandro filaminana teny amin’ny manodidina sy anatin’ny biraompifidianana.

Mbola ambany hatrany ny tahampandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo BV narahin’ny SAFIDY maso na dia nahitana fiakarana aza izany raha ampitahaina tamin’ny fifidianana kaominaly 2019. Nahatratra 39,3% ny tahampahavitrihana raha toa ka 33,3% izany tamin’ny 2019. Ny tahampandraisana anjara ambony indrindra ary nihoatra ny 45% dia hita tany amin’ny faritra ANDROY (54,8%), FITOVINANY (47,8%), ATSIMO ANDREFANA(47,4%). Ambany kosa ary latsaky ny 30% ny fandraisana anjara tany amin’ny farira IHOROMBE(27%) sy DIANA (28,7%). Tsiahivina fa ny tahampandraisana anjara ofisialy dia avoakan’ny CENI

Ny fifidianana kaominaly sy monisipaly dia nampiseho ny fanamafisana ny fahefan’ny antokon’ny filoham-pirenena «Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina» (IRMAR), izay nanatanteraka paikady mafonja nametrahany ny fisiany eny ifotony manerana ny nosy. Etsy ankilany kosa ireo vondron’ny antoko mpanohitra, na dia nizarazara aza, dia miezaka samy mamelona indray ny antoko nihaviany avy mba hanoherana ny fanjakazakan’ny hery mpiara-dia amin’ny filoham-pirenena. Na izany aza, ny disadisa anatiny sy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpanohitra, izay natsikafon’ny fifandrafiana tamin’ny fanendrena kandidà dia tena nampihena ny firaisankina’izy iroe ary tsy nahafahan’izy ireo hametraka tolona iombonana manoloana
ny fitondrana misy

Ny famakafakana miainga avy amin’ny lalàna dia manasongadina olana lehibe samihafa, indrindra mikasika ny fampiharana tsy ara-drariny ny fahafahana manokatra indray ny lisimpifidianana, ny fanemorana ny fifidianana ary ny fanitarana ny fepotoam-piasan’ny ben’ny tanàna amperinasa, ary ny fanavaozana fikarakarana ny fifidianana izay hita fa niainga avy amin’ny kajikajy politika, toy ny fiverenana amin’ny
« scrutin proportionnel » sy ny fampifanarahana ny fe-potoana iasan’ny ben’tanana ny amin’ny filoham-pirenena

SAFIDY dia mametraka ahiahy lehibe momba ny fitantanana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly 2024. Tsy mazava ny fanendrena mpikambana eo anivon’ny rantsamangaikan’ny CENI ka miteraka ahiahy momba ny fahaleovantena sy ny tsy fiandaniana. Nisongadina manokana tamin’izany ny fanavaozana ny ampahany
amin’ireo mpikambana teny anivon’ny distrika (CED izay avy amin’ny antoko politikan’ny fitondrana, izay tsy nisy fanazavana ofisialy mazava. Fanampin’izay, nanamafy ny fiahiahiana ny fanoloana ireo sefo- pokontany miverimberina amin’ny ankatoky ny fifidianana, ka niteraka rivo-piainana feno fifampiahiana momba ny
fitongilanana eo amin’ny zotram-pifidianana, satria noheverina ho fitaovana hanamafisana ny tambajotra politika eto an-toerana ireo fanoloana ireo. Niteraka savorovoro ihany koa ny fanavaozana niavaka ny lisi-pifidianana izay notontosaina tamin’ny alalan’ny didimpitsarana, indrindra noho ny fifanoherana amin’ny fomba fampiharana azy sy ny fanamorana natolotra ny kandidà, ka nampihena ny fahatokisana ny fangaraharana ny dingam-pifidianana. Farany, ny tsy fisian’ny mangarahara, indrindra fa ny fandavana ny fanomezana vaovao ireo singa fototra toy ny tetibola sy ny fandaharam-potoanan’ny fanofanana, dia niteraka tsy fahatokisana eo amin’ny zotram-pifidianana, sady nametra ihany koa ny fahombiazan’ny mpanaramaso amin’ny andraikiny. Na dia teo aza ny fangatahana maro nataon’ny SAFIDY hanaramaso ny fiofanana nomena ny ratsamangaika sy ireo mpikambana amin’ny BV dia tsy navela nanatrika ny SAFIDY raha tsy tany amin’ny toerana vitsivitsy ihany

Ny fisoratana anaran’ireo kandidà nirotsaka tamin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ny taona 2024 dia voasakantsakana noho ireo fitakiana ara-pitantanana mavesatra, anisan’izany ny fanomezana antontan-taratasy sarotra azo. Voakasik’izany indrindra ireo kandidà avy any ambanivohitra. Singanina manokana ny fahazoana ny certificat 211 bis izay niteraka fandaniambola betsaka izay zary sakana tamin’ny fahahana hirotsaka ho fidiana. Noho ny fahavitsian’ny mpirotrsaka ho fidiana nandritra ny fotoana voadidin’ny lalàna dia niroso tamin’ny fanalavana ny fotoana fahafaha-mirotsaka sy fanamorana ny pitsopitsony amin’ny antotaratasy ilaina ny CENI. Voamarika tamin’izany ihany koa fa niakatra 21% ka hatramin’ny 82% ny antoka arabola notakiana tamin’ny kandida raha oharina tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2019. Hita anefa na izany aza fa tsy nahasakana ny firotsahan-kofidian’ireo tsymiankina. Mikasika ny lisi-pifidianana, ny fanavaozana manokana ny lisitry ny mpifidy dia nahafahana nampiditra mpifidy vaovao miisa 60.650, izany hoe 0,52% ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ka nampiakatra ny isan’ny mpifidy ho 11.691.806. Nahomby ny fanentanana natao teto Antananarivo, nihoatra ny fomba fanao nahazatra mikasika ny fanavaozana isan-taona.

Nahitana fiakarany ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy sy ny tanora ho mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana. Mbola voafetra ihany anefa ny firotsahan’izy ireo ho kandidà, na dia izy ireo aza no maro an’isa amin’ny mpifidy. Ho an’ny olona manana fahasembanana kosa, mijanona ho ambany dia ambany ny fandraisan’anjaran’izy ireo noho ny tsy fisian’ny angom-baovao sy antontanisa mifanaraka amin’ny tena zava-misy sy ny tsy fahampian’ny fanamorana amin’ny fidirana sy fampiasan’izy ireo ny biraompifidianana

Nanamarika ny fampielezan-kevitra ny tsy fisian’ny hafanam-po, ny tsy fahalainan’ny mponina amin’ny ankapobeny amin’ny fifidianana, vokatry ny fahasahiranana amin’ny fiainana andavanandro toy ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny tsy fisian’ny zavatra ilaina amin’ny andavanandro. Ankoatra izany, ny fanararaotana toy ny fizarana karazan-javatra sy sakafo dia nandrebireby ka tsy nahafahan’ny mpifidy tena nifantoka
amin’ny programa politika ka lasa toa fanambazan-javatra mibahana amin’ny fifidianana.Ny fandraisan’anjaran’ny mpiasam-panjakana sy ny fampiasana ny fitaovana/volam-panjakana ho an’ny tombontsoan’ny kandidà sasany dia nanimba ny tsy fiandaniana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana

Ny fanentanana sy fahampafantarana ny fepetra tokony arahina mikasika ny fifidianana, izay tohanan’ny mpiara-miombon’antoka isan-karazany, dia tsapa fa voafetra arajeografika, ary nifantoka indrindra amin’ny toeran an-tanàn-dehibe. Maro no mpifidy tokony ho entanina no tsy tratra. Ny hafatra koa dia tsy mifanaraka loatra amin’ny olona manana fahasembanana.

Nandritra ny fifidianana ny taona 2024 teto Madagasikara, ny Facebook dia anisan’ny fitaovana stratejika nampiasain’ireo kandidà sy hanamelohana ny tsy fanarahan-dalàna, nefa koa nanamafy ny fanalam-baraka izay mampitombo ny disadisa ara-politika.
Tamin’ny andron’ny fifidianana, 269 ny trangan-javatra tsy mety voamarika, anisan’izany ny fiampangana amin’ny fanaovana hosoka, izay nampirongatra ny tsy fahatokisana an’ireo rafitra mpikarakara fifidianana sy niteraka disadisa ara-tsosialy.
Etsy andanin’izany, ny tsy fisian’ny sampana mahaleotena mandrindra sy mifehy ny serasera (ANRCM) ka azo lazaina fa nanakana ny fanaraha-maso mahaleotena amin’ny haino vaky jery, ka namela ny CENI hitantana ny fitsinjarana ny tolotra omena ny kandidà amin’ny fidirany fanaovany ny fampielezan-kevitra eo amin’ny haino vaky jery. kanefa tsy nisy taratasy na fanapahana amin’ny fomba ofisialy izany tamin’ity fifidianana kaominaly sy monisipaly ity. Noho izany dia mbola manamafy hatrany ny filana sy ny maha zava-dehibe ny sampana mahaleotena amin’ny ny fandrindrana ny haino vaky jery mba hiantohana ny fahalalahana sy ny endrika marolafy

Hatramin’ny fiatombohan’ny fampielezan-kevitra dia 184 ireo fitarainana voarain’ny SAFIDY tamin’ny laharana maitso antsoina maimaimpoana. Miverimberina foana ny fitarainana mikasika ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana amin’ny fampielezankevitra, ny fanampiana mampiahiahy mpifidy ao anatin’ny lisi-pifidianana tamin’ny ordonansa, ny fahaveran-jo an’ireo mpifidy tsy voasoratra anaty lisi-pifidianana, ny fanetsenana vato mialoha tao anaty vata fandatsaham-bato izay niteraka korontana ary koa ny tsy fanaovana eo no ho eo ny PV.

Fomba fiasan’ny SAFIDY

Manohy ny fahavononany amin’ny fitondrana ny anjara birikiny ho an’ny fangaraharana sy ny fanatsarana ny zotram-pifidianana hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018, SAFIDY dia manohy ny fanarahamaso ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ny taona 2024, tamin’ity indray mitoraka ity, miisa 2455 ny biraom-pifidianana narahimaso 2.455 amin’ny kaominina 205, mandrakotra ny distrika 120 sy faritra 23. Mifototra amin’ny fepetra maromaro ny fisafidianana ny faritra hidirana an-tsehatra, anisan’izany ny hamaroan’ny isan’ny mpifidy, ny fisian’ny mpanara-maso mijoro amin’ny fahitsiana ary ny lanja ara-politika eo an-toerana

Fandaminana ny rafitra fanarahamaso :

Eny ifotony :
1737 mpanara-maso maharitra sy fohy ezaka avy amin’ny fikambanana, ONG, vondrompikambanana, tambazotra, miisa 386, ka mitsinjara 78% ny tanora, 50% ny vehivavy ary 2% ny olona manana fahasembanana (PSH). 208 amin’izy ireo no mpilatsaka an-tsitrapo.

Eo amin’ny sehatra nasionaly :

  • Sampana manao fanamarinana sy fikirakirana ireo antotam-baovao sy antotan’isa voaangona miarka amin’ny foibe fiantsoana, ny fifarimbonan’ny ekipa manampahaizana momba ny informatika, ny politika, ny lalàna, ny fifidianana, ny haino vaky jery, ny zon’olombelona ary ny fanentanana;
  • Sampana handraisana sy hijerena akaiky ireo fanairana izay raisin’ny manampahaizana momba ny lalàna
  • Sampana mpanara-maso misy ny solontenan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), ny Mpitandro ny filaminanan, ny Vaomierampirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CNIDH) ary ny Fikambanan’ny firaisamonim-pirenena. Izy ireo no miandraikitra ny famahana haingana ireo olana ary ao anatin’izany ny fisorohana ny herisetra amin’ny
    fifidianana

Ny SAFIDY amin’ity fifidianana kaominaly ity dia manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny tetikasa MANEHOA/LEM, izay tarihin’ny Internews ary tanterahan’ny fivondronampikambanana maromaro ka anisan’izany ny ONG Ilontsera sy ny ONG Communication Idea Development (CID). Nanatanteraka fanarahamaso ny haino vaky jery mahazatra izy ireo, hamantarana ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy hanaramaso ny fizotry ny fifidianana ataon’ny mpanao gazety. Ho fanampin’izay, hotanterahina ihany koa ny fanarahamaso ny resaka fankahalana sy ny tranganà fanalam-baraka ary ny fanaparitahana vaovao tsy marina amin’ny tambajotra sosialy

Ny SAFIDY dia manohy hatramin’ny farany ny fanarahamaso ny zotram-pifidianana, mikasika ny fikirakirana ny vokam-pifidianana, ny fifanolanana ara-pifidianana, ny fanambarana ny voka-pifidianana ary ny faneken’ny mpisehatra samihafa izany. Ny tatitra farany, miaraka amin’ny tolo-kevitra ara-teknika, dia havoaka aorian’ny fanambarana ny vokatra ofisialy

Laisser un commentaire