fifidianana solombavambahoaka 2024
You are currently viewing fifidianana solombavambahoaka 2024

FANAMBARANA

Antananarivo, faha 29 Mai 2024,

Nizotra ampilaminana ny fisokafan’ny birao-pifidianana nandritra ny fifidianana solombavambahoaka 2024

Zavamisy ankapobeny
Amin’ny ankapobeny dia voahaja ny pitsopitsony tokony arahana amin’ny fanokafana ny birao-pifidianana ary feno ireo fitaovana sy kojakoja anatanterahana ny fifidianana. Na izany aza dia nisy fahatarana vitsivitsy voatatitra.


Fomba fiasa

Ho fandraisana anjara amin’ny fiantohana ny mangarahara amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ity taona 2024 ity, ny Ivotoerana fanarahamaso SAFIDY dia manara-maso ny androm-pifidianana ary mametraka rindran-damina izay ahitana:


● Eny ifotony :
Mahatratra 2535 ny isan’ireo mpanara-maso, vehivavy ny 47%, tanora ny 76% ary olona manana fahasembanana ny 2%. Miparitaka mandrakotra ny biraom-pifidianana miisa 3839 eo ho eo , amin’ny kaominina 405 manerana ny distrika 120 sy faritra 23 eto Madagasikara izy ireo. Ny fanatanterahana izany dia manaraka ny fomba fiasa mampifangaro ny mpanaramaso mivezivezy sy ny mpanaramaso raikitra.
● Eo amin’ny sehatra nasionaly :
✔ Ahitana sampana miandraikitra ny fanamarinana sy ny fikirakirana ary ny fandalinana ireo antotankevitra voaray. Ao anatin’izany ny sampana miandraikitra ny antso an-tariby, sy ireo matihanina momba ny arakajimirindra.
✔ Ahitana sampana fanangonana tatitra fanairaina iandraiketan’ny mpahay lalàna, ary ny sampana mpanamora ny fandraisana an-tanana ireo tranga fanairana (centre de veille) ahitana solontena avy amin’ny Vaomiera-pirenena miandraikitra ny fifidianana (CENI), ny mpitandro ny filaminana, ny Vaomiera-pirenena Mahaleotena momba ny Zon’olombelona (CNIDH). Izany dia natsangana mba ahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana. Ity tatitra voalohany momba ny fanatanterahana ny latsa-bato ity dia avy amin’ireo ampahana birao-pifidianana 1256 miparitaka manerana ny faritra 23 eto Madagasikara.

Vokatry ny fanarahamaso miainga avy amin’ireo ampahana birao-pifidianana nandritra ny fisokafana birao-pifidianana

Ny vokatry ny fanarahamaso ny fisokafan’ny ny birao-pifidianana dia manambara ireto zava-misy manaraka ireto:

● 77,5% amin’ireo BV narahamaso dia nanaja ny ora fisokafana tamin’ny 6 ora maraina.
● 6% amin’ireo BV dia nisy fahatarana adiny iray mahery.
● 98,9%-amin’ireo BV dia voamarika fa maherin’ny telo (03) ireo mpikambana ao amin’ny birao-pifidianana no nanatrika ny fotoam-pisokafana araka ny fepetra voalazan’ny lalàna mba hiantohana ny fampandehanan-draharaham-pifidianana ;
● 96,9%-amin’ireo BV narahimaso dia nahitana ireo delegen’ny kandidà nanatrika ny fanokafana ny latsa-bato, ary tamin’ny 79,9% tamin’ireo narahimaso dia nahitana mpifidy nanatrika ny fanokafana ny latsa-bato ;
● 99% amin’ireo BV narahimaso dia nizotra am-pilaminana ny fanokafana;
● 97,6% amin’ireo BV narahimaso dia nanaja ny toromarika momba ny fanaovana antsapaka nataon’ny mpikambana roa ao amin’ny birao fandatsaham-bato izay nanao sonia ny biletà tokana araka ny voalazan’ny lalàna. Ny tsy fisian’ny antsapaka dia mety hanohintohina ny
fahamarinan’ny latsa-bato;
● Tao amin’ny 0,2%-n’ny BV, dia nahitana olona ankoatry ny mpikambana BV nanao sonia ny biletà tokana ao ambadika, izay tokony hitarika amin’ny fanafoanana ny vato voakasika.
Momba ny fitaovam-pifidianana:
89% amin’ireo BV narahimaso dia nahavoaray fitaovam-pifidianana tamin’ny fotoana fanokafana. Ireo tsy fanarahan-dalàna voamarika dia mahakasika ny:
● 0,3% amin’ireo BV narahimaso, dia tsy manana ny lisitry ny mpifidy;
● 0,2% amin’ireo BV narahimaso, dia tsy manana ny karinen’ny bileta tokana ;
● Amin’ny 1,8% amin’ireo BV narahimaso, dia tsy voatsangana ara-potoana ny toerana fisainana fandatsaham-bato .
Tao amin’ny 99,8%-n’ny BV narahimaso dia tsikaritra fa mangarahara sy mihidy tsara ny vata fandatsaham-bato araka ny lalàna ;
Tao amin’ny 55,5% BV narahimaso nisy iraka mpanara-maso nasionaly hafa ankoatra ny SAFIDY nanatrika ny fisokafana.
Tamin’ny fotoana nanaovana izao fanambarana izao dia nahazo tatitra 61 isa tamin’ny alalan’ny laharana maitso ny SAFIDY izay noraisin’ny sampana mpandray an-tanana ny tranga fanairana.
Ireto tranga mateti-piseho dia mahakasika ny : fahataran’ny fisokafan’ny birao-pifidianana nohon’ny fahataran’ny fahatongavan’ny fitaovam-pifidianana sy fahataran’ny mpikamban’ny BV. Tany amin’ny BV sasantsasany dia tsy nisy ny fanaovana an-tsapaka ny mpanao sonia ny bileta tokana.
Mpanaramason’ny SAFIDY vitsivitsy no tsy navela nanatrika ny fisokafan’ny birao-pifidianana.
Ny angom-baovao momba ny fanokafana ny birao-pifidianana sy ny fizotry ny fifidianana dia tonga miandalana eto amin’ny Ivoterana SAFIDY. Havoaka amin’ny fanambaran’ny SAFIDY ho avy ny vokatry ny famakafakana ny angom-baovao voaangona.
Mitohy hatrany ny fanarahamason’ny SAFIDY ny dingana rehetra amin’ny fifidianana, anisan’izany ny latsa-bato, ny fanakatonana ny birao-pifidianan, ny fanisam-bato, ny fanisana ara-pitaovana ny

vato eny anivon’ny SRMV rehetra (Sections de Recensement des Matériels de Vote), ny fikirakirana ny voka-pifidianana eny amin’ny CENI, ny fifanolanana ara-pifidianana, ary koa ny faneken’ny mpisehatra voakasiky ny voka-pifidianana.
Havoaka anio amin’ny 4 ora hariva ny fanambara faharoa momba ny fizotry ny fifidianana hatramin’ny mitataovovonana. Hivoaka ny sabotsy 01 jona amin’ny 11 ora atoandro ao amin’ny foiben’ny SAFIDY Ambatonakanga ny fanambarana savaranonando momba ny fanarahamaso ny
fifidianana solombavambahoaka.

Ny Ivotoerana SAFIDY dia rafitra mahaleo tena, tsy mitanila, manana fahaizana ara-teknika sy famakafakana amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ny iraka ataony dia ny manangona sy mamakafaka ny angom-baovao ary ny tranga manamarika ny fanatanterahana ny fifidianana ary mamoaka ny voka-panadihadiana sy ny tolo-kevitra ara-teknika.
Manaja ny foto-kevitra fototra momba ny tsy fiandaniana ara-politika, ny SAFIDY dia manaramaso ny fizotran’ny fifidianana solombavambahoaka 2024 manontolo manomboka tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ka hatramin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana. Ny tanjony dia ny handray anjara amin’ny fangaraharan’ny zotram-pifidianana.

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia ara-bola ny Ivotoerana SAFIDY. Ny votoatin’ny fanambarana an-gazety dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena manaraka ireto: AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy afaka. tsy azo heverina velively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeana sy ny fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia.

Laisser un commentaire