[VM] Ny fisokafan’ny biraom-pifidianana nandritra ny fifidianana filoham-pirenena dia nizotra tao anatin’ny filaminana na dia teo aza ireo tsy fahafehezana ny fomba fiasa.
You are currently viewing [VM] Ny fisokafan’ny biraom-pifidianana nandritra ny fifidianana filoham-pirenena dia nizotra tao anatin’ny filaminana na dia teo aza ireo tsy fahafehezana ny fomba fiasa.
Accroître l'efficacité des Organisation de la société civile malgache dans le suivi et observation des élections

FANAMBARANA

Antananarivo, ny 16 novambra 2023.

Fomba fiasa

Ho fandraisana anjara amin’ny fampangaraharana ny zotra-pifidianana mandritra ity fifidianana filoham-pirenena 2023 ity, ny Sampana Fanaraha-maso SAFIDY dia mametraka fomba fiasa toy izao:
Eny ifotony :
- Mpanara-maso lavitra ezaka sy mpanaramaso amin’ny androm-pifidianana miisa 5000 mandrakotra biraom-pifidianana miisa manodidina ny iray alina (10000). Ireo no manatanteraka ny fanaraha-maso ny andron’ny fandatsaham-bato, ary mitatitra ny angom- bokatra amin’ny someso (sms).
Eo amin’ny sehatra nasionaly:
 – Foibe miandraikitra ny fanamarinana sy ny fanangonana ary ny fikirakirana ireo angom- bokatra, izay ahitana mpiandraikitra ny antso, mpamakafaka angom-bokatra ary manam-pahaizana manokana amin’ny informatika ;
 – Foibe mikarakara ireo tatitra sy fanairana avy amin’ny alalan’ny laharana maitso ;
 – Foibe manao andrimaso ahafahana mandray fanapahan-kevitra aingana mampivondrona ny solotenan’ny CENI, ny mpitandro ny filaminana, ny CNIDH ary ny sampam-panaraha-maso SAFIDY.

Amin’ny maha iraka mpanara-maso ny fifidianana lehibe indrindra eto Madagasikara amin’izao fifidianana filoham-pirenena 2023 izao, ny SAFIDY dia manetsika mpanara-maso miisa 5.000 mandrakotra kaominina 880, distrika 119 miparitaka manerana ny faritra 23.
Raha ny mikasika ny fisafidianana ireo faritra anatanterahana ny fanaraha-maso dia notsongaina araka ny fepetra telo ireo kaominina voakasika: ny ahavon’ny tahan’ny mety hitrangan’ny olana, ny hamaroan’ny olona tokony hifidy ao anatiny ary ny fisian’ny mpanara-maso marina sy mahitsy any
an-toerana.
Ny vokatra voalohany mahakasika ny fisokafan’ny biraom-pifidianana dia miainga amina santionana biraom-pifidianana miiisa 1355 miparitaka ao anatin’ny faritra 21 manerana an’i Madagasikara.

Ny vokatry ny fanaraha-maso ny fisokafana tamin’ireo santionana biraom-pifidianana

Ny vokatry ny fanaraha-maso ny fisokafan’ny biraom-pifidianana dia manambara ireto zava-misy manaraka ireto :
 – 88,9% ny biraom-pifidianana narahi-maso dia nanaja ny fisokafana tamin’ny 6 ora maraina ;
 – Tao amin’ny 80,5% ny biraom-pifidianana naraha-maso dia nisy delegen’ny kandidà nanatrika ny fisokafana;
 – Tao amin’ny 81,9% ny biraom-pifidianana naraha-maso dia nisy mpifidy nanatrika ny fisokafana
 – Nizotra am-pilaminana ny fisokafana tao amin’ny 87,8% biraom-pifidianana naraha-maso
 – 91,8% ny biraom-pifidianana naraha-maso no nisy mpikambana mihoatra ny telo (03) nanatrika ny fisokafana;
 – 83,2 % ny biraom-pifidianana naraha-maso dia nanaja ny toromarika mikasika ny fisarihana ireo mpiandraikitra roa (2) izay nanao sonia ny bileta tokana ;

Mahakasika ny fitaovam-pifidianana :
 – 85,8 % amin’ny biraom-pifidianana naraha-maso no naharay ny fitaovam-pifidianana tamin’ny ora fisokafana :
 – 87,0 % amin’ireo biraom-pifidianana naraha-maso dia misy lisi-pifidianana;
 – 93,4 % amin’ireo biraom-pifidianana naraha-maso dia manana ny karine bileta tokana;
 – Tamin’ny 93,5 % amin’ny biraom-pifidianana naraha-maso dia voamarina fa mangarahara sy tsy nahitana na inona na inona ny vata fandatsaham-bato ary mihidy tsara;

Amin’izao fotoana hanaovana izao fanambarana izao dia naharay fanairana miisa 138 tamin’ny laharana maitso izay noraisin’ny foibe manao andrimaso an-tanana. Ny ankamaroan’ny tranga voaray dia mahakasika ny famelana mpifidy tsy manana karapanondro na permis na pasipaoro
handatsabato. Ny ankoatran’izay dia fahatarana nohon’ny tsy fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana sasany sy ny tsy fahafehezana ny fomba fiasa.
Mitohy hatrany ny fandraisana tatitra mahakasika ny fisokafan’ny biraom-pifidianana sy ny fizotry ny fifidianana. Hivoaka amin’ny 3ora sy sasany tolak’andro ny fanambarana faharoa. Izany dia mahakasika ny fizotry ny fifidianana hatramin’ny 12 ora atoandro. Hanohy ny fanarahamaso ny
zotram-pifidianana manontolo ny SAFIDY, ao anatin’izany ny fikatonan’ny biraom-pifidianana, ny fanisam-bato, ny fikirakirana ny voka-pifidianana eny anivon’ny SRMV, ny fifanolanana ara-pifidianana ary ny faneken’ny kandidà rehetra ny voka-pifidianana. Hampitaina amin’ny faha 18
novambra 2023 eto amin’ny foiben’ny SAFIDY Ambatonakanga ny tatitra savaranonando ny fanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena.


Ny sampana fanaraha-maso SAFIDY dia rafitra mahaleo tena, tsy miandany, manana fahaiza-manao ara-teknika amin’ny fandinihana ny zotram-pififidianana. Ny tanjony dia ny hanangona sy hamakafaka ny angom-bokatra sy ireo tranga misongadina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny famoahana ny zavatra hitany sy ny tolo-kevitra ara-teknika. Amin’ny fanajana ny foto-kevitra fototra toy tsy fitanilana sy ny tsy fiandaniana ara-politika, ny SAFIDY dia mandinika ny fizotry ny fifidianana manontolo amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2023, manomboka
amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ka hatramin’ny fanambarana ofisialy ny vokatra. Tanjona amin’izany ny handray anjara amin’ny fampangaraharana ny voka-pifidianana manaraka eo.

Ny sampana fanaraha-maso SAFIDY dia tohanan’ny vondrona eropena ara-bola. Ny votoatin’ity fanambarana ity dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena manaraka ireto: AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV,YMCA,FTMF,CEDII,MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary sy Alliance Voahary Gasy ary tsy azo heverina ho maneho ny fomba fijerin’ny Vondrona Eropeana.

Laisser un commentaire