
FANAMBARANA
Antananarivo, faha 11 desambra 2024
Nanamarika ny tapany voalohany amin’ny fizotry ny fifidianana ny fihenan’ny tahampandraisana anjara sy ny fitomboan’ny fitara
Fomba fiasa
Rehefa avy nanaramaso fifidianana nifandimby, hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 SAFIDY dia manohy hatrany ny firotsahana sy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fangaraharana sy ny fanatsarana ny zotram-pifidianana ka manara-maso ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ny taona 2024 izao.
Mandritra ny androm-pifidianana, ny sampana fanarahamaso ny fifidianana SAFIDY dia mametraka
rafitra ahitana:
- Eny ifotony :
1737 mpanaramaso avy amin’ny fikambanan’ny firaisamonimpirenena miisa 386, ka 50% ny vehivavy, 78% ny tanora ary 2% ny olona manana fahasembanana. Izy ireo dia mandrakotra biraompifidianana miisa 2.455 eo ho eo amin’ny kaominina 205 miparitaka amin’ny distrika 120 sy ny faritra 23 eto Madagasikara. Fomba fanarahamaso roa no ampiasaina : misy mpanara-maso raikitra ary misy ireo mivezivezy. Ny 208 amin’ireo mpanaramaso ireo no mpilatsaka an-tsitrapo. - Eo amin’ny sehatra nasionaly :
– Ahitana sampana miandraikitra ny fanamarinana sy ny fikirakirana angom-baovao izay ahitana
foibe fiantsoana, ahitana mpikirakira antontanisa, informatisianina ary mpanao famakafakana ;
– Sampana fandraisana sy fikirakirana ny fanairana azo, izay ahitana mpahay lalàna sy
– Sampana mpanamora ny fifandraisana (centre de veille) izay ahitana ny Filan-kevitra ambony iarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED), ny Mpitandro ny filaminana ary ny Vaomieram-pirenena Misahana ny Zon’olombelona na ny ‘CNIDH’ ka ahafahana mitondra vahaolana aingana amin’ireo fanairana sy olana voaray, isan’izany ny fisorohana ny herisetra amin’ny fifidianana;
Ity tatitra faharoa momba ny fizotriny ny fifidianana ity dia avy amin’ny santionan’ny biraompifidianana 936 miparitaka manerana ny faritra 23 eto Madagasikara.
Vokatry ny fanarahamaso niainga tamin’ny santoinana momba ny fizotry ny fifidianana
Amin’ny ankapobeny 22,4 % ny tahan’ny fandraisana anjara voarain’ny SAFIDY (tamin’ny 12h00 teo, raha 25,12% izany nandritra ny fifidianana kaominaly sy monisipaly tamin’ny taona 2019, ary 22,7% nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ka azo lazaina misy fihenana. Ny faritra Androy 36,4% sy Anosy 34,8% no no nahatsapana taham-pandraisana anjara ambony indrindra raha ny faritra DIANA 15,4 % sy Boeny 17,3% kosa no nahatsapana taham-pandraisana ambany indrindra.
Momba ny fizotry ny fifidianana:
- Tao amin’ny 99,9%ny BV nanaovana fanarahamaso, dia nanao fanamarinana an’ ireo antontantaratasim-pahamatarana ny mpifidy ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana.
- Nisy ihany koa ny fisavana ny ankihiben-tànanan’ny mpifidy teo am-pidirana tamin’ny 96,4% ny BV mba hialana amin’ny fiverimberenana mifidy.
- Nohamarinina hatrany ny anaran’ireo mpifidy tao amin’ireo BV narahimaso. Na izany aza dia nisy ireo mpifidy navela handatsa-bato na dia tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana sady tsy manana mandat na taratasy fanirahana nefa navela hifidy tany amin’ny 1% ny BV.
- 1,7% tamin’ny biraom-pifidianana no nahitana herisetra sy korontana nandritra ny androm-pifidiana
Safidy dia manamarika fa efa mihamaro ny vehivavy sy ny tanora mandray anjara ho mambra ny biraom-pifidianana satria dia 45,9% ho an’ny vehivavy ary 49% ho an’ny tanora. Tena mbola vitsy kosa ny olona manana fahasembanana satria dia 1% ihany izy ireo.
Tamin’ny fotoana nanaovana an’izao fanambarana izao, dia nahazo tatitra fanairana miisa 105 tamin’ny alalan’ny laharana maitso ny SAFIDY izay nojerena sy noraisina an-tanana teo anivon’ny sampana mpanamora ny fifandraisana (Centre de veille). Ireo tranga ireo dia mahakasika ny bileta efa voamarika mialoha, ny fanohitohinana ny fahafahana mifidy: nisy tamin’ireo mpifidy no tsy hita intsony tao anaty lisim-pifidianana tamin’ity fifidianana kaominaly ity. Nisy ihany ko any fanetsenambato izay niteraka korontana. Ny ankamaroan’ny tranga voaray dia avy amin’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangory, SAVA ary Androy.
Ny angom-baovao sy ny antontan’isa momba ny fizotriny ny fifidianana dia tonga tsikelikely eto ampelatananay, izay mbola havoaka amin’ny fanambaran’ny SAFIDY ho avy.
Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny dingana rehetra amin’ny fifidianana izay ataon’ny SAFIDY, anisan’izany ny fizotry ny latsa-bato, ny fanakatonana ny birao fandatsaham-bato, ny fanisam-bato, ny fanisana ara-pitaovana mahakasika vato eo anivon’ny SRMV rehetra (Sections de Recensement des Matériels de Vote), ny fikirakirana ny voka-pifidianana eny amin’ny CENI, ny fifanolanana arapifidianana, ary koa ny faneken’ireo mpisehatra voakasika ny voka-pifidianana.
Hivoaka ny sabotsy 14 desambra 2024 amin’ny 11 ora atoandro ao amin’ny foiben’ny SAFIDY eny Ambatonakanga ny fanambarana savaranonando momba ny fanararahamaso rehetra momba ny fifidianana kaominaly sy monisipaly.
Ny Ivoteorena SAFIDY dia rafitra mahaleo tena sy tsy miandany, manana fahaizana ara-teknika sy famakafakana amin’ny fanarahamaso ny fifidianana. Ny iraka tanterahiny dia ny fanangona sy famakafaka ny
angom-baovao sy ny antontan’isa ary ny hevi-dehibe manamarika ny momba ny fanatanterahana ny fifidianana ary hamoaka ny vokatry ny famakafakana sy ny tolo-kevitra ara-teknika. Amin’ny fanajana ireo
foto-kevitra fototra momba ny fahitsiana sy ny tsy fiandaniana ara-politika, ny SAFIDY dia mandinika ny
fizotran’ny fifidianana manontolo amin’ity fifidianana kaominaly sy monisipaly ny taona 2024 ity. Ny tanjona
dia ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fangaraharana ny zotram-pifidianana.
Ny SAFIDY dia tohanan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia (OIF) ara-bola. Ny votoatin’ny fanambarana an-gazety dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny fiarahamonimpirenena mamdrafitra azy : AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy afaka na tsy azo heverina velively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeanina sy OIF



