Ny fisokafan’ny biraom-pifidianana ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly
You are currently viewing Ny fisokafan’ny biraom-pifidianana ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly

FANAMBARANA

Antananarivo, faha 11desambra 2024

Ny fisokafan’ny biraom-pifidianana ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly dia nizotra
ampilaminana na dia teo aza ireo tsy fahatomombanana vitsivitsy voatatitra

Fomba fiasan’ny SAFIDY

Rehefa avy nanaramaso fifidianana nifandimby, hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018
SAFIDY dia manohy hatrany ny firotsahana sy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’ny
fangaraharana sy ny fanatsarana ny zotram-pifidianana ka manara-maso ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ny taona 2024 izao,
Mandritra ny androm-pifidianana, ny sampana fanarahamaso ny fifidianana SAFIDY dia mametraka rafitra
ahitana :

Eny ifotony :
1737 mpanaramaso avy amin’ny fikambanan’ny firaisamonimpirenena miisa 386, ka 50% ny vehivavy, 78%
ny tanora ary 2% ny olona manana fahasembanana. Izy ireo dia mandrakotra biraom-pifidianana miisa 2.455
eo ho eo amin’ny kaominina 205 miparitaka amin’ny distrika 120 sy ny faritra 23 eto Madagasikara. Fomba
fanarahamaso roa no ampiasaina : misy mpanara-maso raikitra ary misy ireo mivezivezy. Ny 208 amin’ireo
mpanaramaso ireo no mpilatsaka an-tsitrapo.

Eo amin’ny sehatra nasionaly :

– Ahitana sampana miandraikitra ny fanamarinana sy ny fikirakirana angom-baovao izay ahitana foibe fiantsoana, ahitana mpikirakira antontanisa, informatisianina ary mpanao famakafakana ;
– Sampana fandraisana sy fikirakirana ny fanairana azo, izay ahitana mpahay lalàna sy
– Sampana mpanamora ny fifandraisana (centre de veille) izay ahitana ny Vaomiera Mahaleotena Mikarakara
ny Fifidianana na ny (CENI), ny Mpitandro ny filaminana ary ny Vaomieram-pirenena Misahana ny Zon’olombelona na ny CNIDH ka ahafahana mitondra vahaolana aingana amin’ireo fanairana sy olana
voaray, isan’izany ny fisorohana ny herisetra amin’ny fifidianana;

Ity tatitra voalohany momba ny fisokafan’ny biraom-pifidianana ity dia avy amin’ny santionan’ny biraompifidianana 887 miparitaka manerana ny faritra 23 eto Madagasikara.

Vokatry ny fanarahamaso niainga tamin’ny santoinana fisokafana birao fandatsaham-bato

Ny fanarahamaso natao tamin’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato dia maneho ireto zava-misy manaraka ireto:

● 90,4% n’ny BV no nanaja ny ora fisokafana tamin’ny 6 ora maraina.
● Teo amin’ny 0,5% n’ireo BV dia nisy fahatarana adiny iray mahery.
● Ao amin’ny 97,5% amin’ireo BV narahimaso, dia mihoatra ny telo (03) ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana no nanokatra ny BV araka ny fepetra voalazan’ny lalàna mba hiantohana ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny fizotran’ny fifidianana;

● 98,3% an’ny BV, dia nahitana solontenan’ny kandidà nanatrika ny fanokafana ny latsa-bato ary tamin’ny 88% BV no nahitana mpifidy;
● Ao amin’ny 99,3% , amin’ireo BV dia voamarika fa nizotra tampitoniana;
● 10,4 %, amin’ireo BV narahimaso dia tsy nanaja ny toromarika momba ny fanaovana antsapaka ireo mpikambana roa mpanao sonia ny biletà tokana araka ny voalazan’ny lalàna. Ny tsy fisian’ny antsapaka dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahamarinan’ny latsa-bato;
● Ao amin’ny 1,1% , amin’ny BV, dia nahitana olona ankoatry ny mpikambana ao amin’ny BV no nanao sonia ny ao ambadika ny bileta tokana, izay tokony hitarika amin’ny fanafoanana ny vato voakasik’izany.

Momba ny fitaovam-pifidianana:
91,5%, amin’ireo BV narahimaso dia nahazo fitaovam-pifidianana tamin’ny fotoana fanokafana. Ny tsy fanarahan-dalàna hita dia mahakasika:
● 1,2% BV narahimaso no tsy manana ny lisi-pifidianana;
● 0,6% , ireo BV narahimaso no nahitana tsy fahampian’ny kariné mirakitra ny bileta ;
● Ao amin’ny 2,5 % , amin’ny BV narahimaso, dia tsy voapetraka ara-potoana ny trano fisainana.

Ao amin’ny 99,7%, BV dia nahita fa foana ny vata fandatsaham-bato ary voaisy tombo-kase araka ny lalàna;
Ao amin’ny 54,5% , BV, dia nahitana mpanara-maso nasionaly hafa ankoatra ny SAFIDY izay nanatrika ny fanokafana.

Tamin’ny fotoana nanaovana an’ito fanambarana ito, dia nahazo tatitra fanairana miisa 65 tamin’ny alalan’ny
laharana maitso ny SAFIDY. Nahatratra 54% ireo tranga fanairana nojerena sy mbola raisina an-tanana eo
anivon’ny sampana mpanamora ny fifandraisana (Centre de veille).

Ny tranga miverimberina matetika dia mahakasika ny olona avela mifidy anefa tsy manana karapanondro ka
maro ny mahakasika ny faritra Analamanga, SAVA ary Alaotra Mangoro. Ankoatran’izay dia ny fahatarana
amin’ny fanokafana BV noho ny fahatarana na ny tsy fahampian’ny fitaovam-pifidianana, toy ny lisipifidianana.

Ny angom-baovao sy ny antontan’isa momba ny fanokafana ny biraom-pifidianana sy ny fizotran’ ny latsa-bato dia tonga tsikelikely eto ampelatanay. Mbola havoaka amin’ny fanambaran’ny SAFIDY ho avy ny valin’ny
famakafakana mikasika angom-baovao sy ny antontan’isa voaangona.

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny dingana rehetra amin’ny fifidianana izay ataon’ny SAFIDY, anisan’izany
ny fizotry ny latsa-bato, ny fanakatonana ny birao fandatsaham-bato, ny fanisam-bato, ny fanisana ara-pitaovana mahakasika vato eo anivon’ny SRMV rehetra (Sections de Recensement des Matériels de Vote), ny fikirakirana ny voka-pifidianana eny amin’ny CENI, ny fifanolanana ara-pifidianana, ary koa ny faneken’ireo mpisehatra voakasika ny voka-pifidianana.

Hivoaka anio amin’ny 4 ora hariva ny fanambarana faharoa momba ny fizotry ny latsa-bato hatramin’ny
mitataovovonana.

Hivoaka ny sabotsy 14 desambra amin’ny 11 ora atoandro ato amin’ny foiben’ny SAFIDY Ambatonakanga ny
fanambarana savaranonando momba ny fanarahamaso ny fifidianana kaominaly sy monisipaly.

Ny Ivoteorena SAFIDY dia rafitra mahaleo tena sy tsy miandany, manana fahaizana ara-teknika sy famakafakana amin’ny fanarahamaso ny fifidianana. Ny iraka tanterahiny dia ny fanangona sy famakafaka ny angom-baovao sy ny antontan’isa ary ny hevi-dehibe manamarika ny momba ny fanatanterahana ny fifidianana ary hamoaka ny vokatry ny famakafakana sy ny tolo-kevitra ara-teknika. Amin’ny fanajana ireo foto-kevitra fototra momba ny tsy fahitsiana sy ny tsy fiandaniana ara-politika, ny SAFIDY dia mandinika ny fizotran’ny fifidianana manontolo amin’ity fifidianana kaominaly sy monisipaly ny taona 2024 ity. Ny tanjona dia ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fangaraharana ny zotram-pifidianana.

Ny SAFIDY dia tohanan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia (OIF) ara-bola. Ny votoatin’ny fanambarana an-gazety dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny fiarahamonimpirenena mamdrafitra azy : AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy ary tsy afaka na tsy azo heverina velively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeanina sy OIF.

Laisser un commentaire