[VM] Niharana fandrahonana sy tsindry ny Mpanara-maso ny fifidianana avy ao amin’ny SAFIDY nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2023, fihodinana voalohany.
You are currently viewing [VM] Niharana fandrahonana sy tsindry ny Mpanara-maso ny fifidianana avy ao amin’ny SAFIDY nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2023, fihodinana voalohany.

FANAMBARANA

Zoma, faha 24 novambra 2023.

Araka ny fanapahan-kevitra laharana faha-607/CENI/2022, ny 20 desambra 2022 izay manome fankatoavana ny SAFIDY handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana. Ny SAFIDY, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny iraka iandraiketany, dia mitondra ny anjara birikiny
ho amin’ny fifidianana malalaka, madio ary mangarahara. SAFIDY dia natao iantoka fanaraha-maso hentitra sy tsy mitanila. Manoloana izany dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fampanjakana ny mangarahara sy ny fifidianana tsy mitanila ny mpanara-maso.

Na dia eo aza ny fikirizanay tsy azo hozongozonina amin’ny fitandrovana ny fangaraharana sy ny fahamarinan’ny zotram-pifidianana, dia nisy tranga niseho tany amin’ny faritra maro, nahakasika ny mpanara-maso fifidianana, izay niharan’ny fampitahorana, eny hatramin’ny herisetra ara-moraly
aza ary norahonana. Maneho ny ahiahiny lalina ny SAFIDY manoloana ireo trangana fandrahonana vao haingana natao tamin’ireo mpanara-maso fifidianana teny ifotony ireo. Zava-dehibe ny hanamafisana hatrany fa ilaina ny fisian’ny mpanara-maso ny fifidianana mba hiantohana ny
fahamarinan’ny zotram-pifidianana, ka mampihena ny fahatokisana ny fifidianana izany fihetsika fandrahonana sy antsojay izany ka tsy azo ekena.

Manainga ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba handray fepetra haingana hiantohana ny fiarovana sy ny filaminan-tsain’ireo mpanara-maso eny ifotony. Ankoatra izay dia miantso ny mpiara-miombon’antoka rehetra izahay mba hanaja ny zo fototry ny mpanara-maso ny fifidianana
amin’ny fanatanterahana ny asany tsy misy tahotra. Ny SAFIDY dia miantso ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanara-maso akaiky ny zava-misy ary hanameloka amin’ny fomba hetitra ny herisetra na ny fampitahorana ny mpanara-maso ny fifidianana.

Izahay dia manamafy ny fahavononanay hanohy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpandray anjara rehetra voakasika amin’izany ary tsy hihemotra amin’ny fandraisana andraiktira na inona na inona sakana mba hiantohana ny fizotran’ny fifidianana mangarahara, marina ary demokratika.

Ny Ivotoerana fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY dia tohanan’ny Vondrona Eoropeanina ara-bola. Ny votoatin’ny fanambarana dia andraikitry ny SAFIDY sy ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena mpikambana ao aminy, izay voalaza manaraka ireto: PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary ary Alliance Voahary Gasy, AIM, ary tsy afaka na tsy azo heverina
velively ho taratry ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeana.

Laisser un commentaire